Nifarana tamin’ny taon-dasa ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha. “Manoloana ny fahabangana eo anivon’ny OJM, nahita ireo fikambanana 18 fa maika ny hananganana rafitra vonjimaika na tetezamita ho an’ny mpanao gazety”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’izay rafitra vonjimaikan’ny holafitra izay, ny mpanao gazety […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël : “Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka”
Nankalazaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Andron’ny manamboninahitra eto Madagasikara. ”Antenain’ny vahoaka isika”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra izany. “Isika manamboninahitra izao no mitondra. Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka. Dia manantena ny firaisankina sy ny fiombonam-po ho antsika rehetra mba hahazoantsika miroso”. […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo, teny Lapan’ Ambohitsorohitra, afakomaly, noho ny taona vaovao 2026, ny fianakaviamben’ny Tafika notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Nanambaran’ny filoha fa fanehoana fiaraha-mandroso ny fahatongavan’izy ireo. Tsy hanala baraka ny Tafika izy […]
Diplaomasia : Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara
“Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana madio sy tsy misy fitsabahana”. Io no tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fiarahabana azy sy ireo mpanolotsaina avo nataon’ny vondron’ny ambasadaoro vahiny miasa eto Madagasikara, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Saika nahatonga solontena […]
Ady amin’ny tsimatimanota : Niverina any am-ponja ny depiote Ramanatanana Roméo
Taoriian’ny fifampidinihana teo aminy sy ny minisitry ny Fitsarana, niverina anya m-ponja ny depiote voafidy tao Soavinandriana, Ramanatanana Roméo. Voarohirohy amin’ny trafikana sokatra ity farany. Tsy afa-bela… Niverina any amin’ny fonjaben’ Antanimora (?) fa tsy Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ny depiote tsy miankina voafidy tany distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, […]




