Politika

Kolonely Randrianirina MIchaël : “Tsy mivaona amin’ny fanavaozana ny fitondrana”

Toy ny tany Kenya, manamafy ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, fa tsy mivaona amin’ny fifanekena natao ny mpitondra. Manaraka ny zotra mankany amin’ny fanavaozana izahay, hoy izy. “Izay noresahinay tany am-boalohany nandraisana ny fitondrana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara no lalana arahinay amin’izao. Tsy mivaona amin’izay”. Io ny nambaran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Mihemotra amin’ny 3 jona izao ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ny alarobia teo. Nambarany ho anton’izany ny fandaminana. Eo koa ny fikaonandoha karakarain’ny FFKM, hanomboka mialoha io daty io. «Mitohy kosa ny fikaonandoha efa natao eny amin’ny sehatra samihafa», hoy izy. Miantso ny hanaraha-maso ny […]

Fivondronamben’ny Eveka : “Mila drafitra politika mazava ny fanavaozana”

“Momba ny fihavaozana sy ny fanavaozana tian-katao, tsy ahitana drafitra politika mazava sy voafaritra tsara ny fitantanana ny fanavaozana ankoatra ny fe-potoam-pintantana roa taona sy ny hisian’ny fikaonandom-pirenena”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (CEM), afakomaly, taorian’ny fivoriambe ara-potoana, ny 8-12 mey lasa teo. Miaina ao anatin’ny fanantenana […]

Fitantanana firenena : Nanao fanamby ny tsy hanao « Tetezamiitatra » ny filoha

Nihaona tamin’ireo teratany malagasy milaravinahitra any Kenya ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady sy ireo minisitra maromaro eo anivon’ny governemanta. Nampahafantariny, tamin’izany, ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany fa kendrena ho vita mialoha ny fa­ran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena, ialohavan’ny fifidianana izay ho Lalàmpanorenana. «Tsy hisy velively izany Teteza­miitatra […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry hisahana andraikitra eo anivon’ny Frankofonia (OIF), Razanamahasoa Christine. Asa ho sahaniny ny fisoloan-tenan’i Madagasikara eo anivon’ny Sherpa. Manomana sy manaraka ireo antontan-taratasy eo amin’ny lafiny politika sy ny diplaomasia ary koa ny momba ny stratejia eo anivon’ny Frankofonia. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vovonana NGPM, tamin’ny alalan’ny […]