Politika

Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy manao arovava orona anaty taxi-be” 

“Mbola ao anatin’ny hamehana ihany isika. Ny fiarovan-tena voalohany dia ny fitandremana ny hanina sy ny sotroina, mba ho salama isika amin’ny taona 2023. Eo koa ny fiarovan-tena amin’ny fety”, hoy ny prefet  Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Anton’izany ny mbola fisian’ny valanaretina covid-19, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra  amin’izao […]

EMMO/Nat : miantso fifanomezana tanana

Nifampitaona teny amin’ny foibe fibaikoana ny zandarimariam-pirenena Toby Ratsimandrava ny Emmo/Nat ivondronan’ny zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy ary ny polisim-pirenena omaly. Nisy ny tomban’ezaka momba ny fandriampahalemana sy ny fi­laminana. Nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Rakoton­dra­za­ka Andry ka nanamafisany fa hanao hetsika iraisana ireo mpitandro filaminana mba hahafahan’ny […]

Jly Rakotonirina Richard : “Mijoro miaro ny safidim-bahoaka hatrany ny Foloalindahy”

“Mijoro miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ny Foloalindahy. Izy ireo no miantoka ny fandriampahalemana eto amin’ ny tany sy ny firenena. Noho izany, tsy atao ambanin-javatra ny asa sy andraikitra iantsorohana amin’izao an­katoky ny fety izao mba ha­merenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN) […]

Fiahiana sosialy: manana tolotra ara-pahasalamana maro ny Afafi

Nampahafantatra ny tolotra ara-pahasalamana eo aminy, ny eo anivon’ny Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi), omaly, tetsy Anosy. Manakaiky vahoaka izy ireo amin’izany. “Tsy mitady tombony izahay fa ma­namora ny fa­ha­zoan’ny fianakaviana marefo ny fitsaboana lavorary. Mi­ezaka mampihena ny sakana eo amin’ny vola, saina sy sosialy amin’ny fitsaboana”, hoy ny […]