Politika

Fanisana mpifidy: niantso fanaraha-maso hentitra ny lisitra ny Tim

Nitohy tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny Tim, ny faran’ ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko izany. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc tamin’izany fa efa hikatona tsy ho ela ny fanisana ny mpifidy, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Entanina ireo […]

Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mihaino ny olan’ ny vahoaka eny ifotony…”

Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­ri­velo Hajo ny atsimon’ny Nosy. Nivoitra tamin’izany ny olana maro samihafa iainan’ny vahoaka any an-toerana. Anisan’izany ny olana sosialy. Tsy mifanaraka amin’ ny filan’ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. “Ilaina ny mihaino ny olan’ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso […]

Kestora Henri Jean-Michel : “Madio ny fitantanana ato amin’ny Antenimiera”

Namaly ny resabe. Nitondra fanazavana momba ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny kestora I, ny depiote Jean Michel Henri. “Hatramin’ny 2019 ka hatramin’izao, eo an-tanany avokoa ny taratasy fanamarinan’ ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Madio sy mangarahara ny fitantanana ato amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny kestora voalohany eny anivon’ny Antenimierampi­re­ne­na, ny depiote Jean-Michel […]

Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony

Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Ati­tany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]

Fangatahan-kevitry ny HCDDED: tsy mbola afa-milaza inona ny HCC

“Ny azo tenenina aminareo dia izao: androany, amin’ny maha filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ahy, tsy afa-kilaza na inona na inona”, hoy ny valin-tenin’ny filohan’ny HCC, Ra­kotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, mom­ba ny fangatahan-kevitra nataon’ny HCDDED ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Antenimie­rampi­re­nena ny governemanta sy ny amin’ny fitsabahana andraikitra nataon’ny […]