Nifarana, omaly, ny fivoriana ara-potonan’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny antso avo, ho an’ny rehetra. «Mbola hamafisiko eto fa ny isavorovoroan-kilantoana. Ary izay tsy miady, olom-bodo; fa ny to fo, mpamosavy. Misy akana lesona ny zava-nitranga teto izay. Koa samia maka onon-draha na mandinika. Ny firaisankinan’ny solombavambahoaka […]
Politika
Hiffim : «Ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony»
“Heverinay fa ilaina alohan’ny fifidianana ny fanorenana ifotony, ilaina mandritra ny fifidianana, ary mbola ilaina rehefa vita ny fifidianana. Satria fanarenana sy fanavotana ny firenena no tadiavina”, hoy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fikaonandoha karakarain’izy ireo nandritra ny roa andro teny […]
Fanohanana ny PEM : hanampy amin’ny angovo ny Egyptianina
Hivelatra amin’ny sehatra hafa ho amin’ny fampandrosoana. Hifarana tsy ho ela ny fe-potoana iasan’ny ambasadaoro Egiptianina teto Madagasikara, i Usama Saeed Khalil. Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina indrindra sady nanamarika […]
Toe-draharaham-pirenena : tsy manana ahiahy ny Vondrona afrikanina
“Amin’izao fotoana izao aloha, tsy manana ahiahy ny amin’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara izahay. Velona sy mihetsika ny fiainana politika eto. Izay. Miara-miasa ny rehetra mba hanamafisana ny fandriampahalemana”, hoy ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, taorian’ny atrikasa teny Ivandry, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena, taorian’ny fitsipaham-pitokisana […]
Fitsipiham-pitokisana : nisy lainga sy fitaka ny amin’ny fanaovan-tsonia
Tsy nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fikasana hanaovana latsa-bato ny fitsapaham-pitokisana, fa zavatra noforonina ary natao niharihary teo imason’ny vahoaka ny lainga sy ny famitahana tamin’izany, araka ny fanazavan’ny avy amin’ny vondrona parlemantera GPR, ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Johasy Eléonore, momba ny fanangonan-tsonia tamin’iny […]




