Nanamarika ny faha-20 taonany nijoroany ny Tim teto amin’ny faritra Matsitra Ambony ny faran’ny herinandro teo. Nanatanterahana ny kongresim-paritra koa izany. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly sady mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc. “Tsapako ny fahoriana sy fahantrana mahazo ny vahoaka. Henoko avokoa ny fitarainanareo eto Fianarantsoa, manoloana ny […]
Politika
Ramamimampionona Gérard : “Miantefa amin’ ny fiainam-bahoaka ny korontana”
“Efa mikorontana ny sain’ ny olona amin’ny fivelomana sy ny eny anivon’ny fiarahamonina. Miantefa hatrany amin’ny fiainam-bahoaka tsirairay ny fametrahana korontana na savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpandinika fiarahamoanina, Ramamimampionona Gérard. Miantso ny rehetra samy handray ny anjara andraikitra manandrify azy avy izy, ary mba amim-pahamarinana mifanaraka tsara amin’ny […]
Vam, Hafari… : “Maro ireo jiolahy politika”
Nanao fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa telo, ahitana ny Hafari, ny Vam ary ny “Force feminine d’aide mutuelle”, omaly. “Miantso fitoniana sy fandraisana andraikitra izahay ary firaisankina fa maro ireo mpikaramanady sy jiolahy politika, manana tombony amin’ny korontana”, hoy izy ireo. Maro koa ireo manararaotra ho amin’ny tombontsoa manokana […]
FPNM – Fitakiana ireo Nosy : “Mila fiaraha-miasa any ivelany ny ady”
12 desambra 1979-12 desambra 2022. Nahatsiaro ny tsingerin-taona namoahan’ny Firenena mikambana (ONU) fehinkevitra ny amin’ny hamerenen’ny frantsay amin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy manodidina ny Firaisankinam-pirenena ho an’ny Nosy malagasy (FPNM), afakomaly. Mazava tsara fa amin’ izao ady amin’ny Nosy malagasy izao, misy paikady maro samihafa tokony hatao. Misy ady diplaomatika, […]
Antoko Arema : nofanina haitarika ny tanora
Niofana nandritra ny telo andro ireo tanora Arema sy ireo mpikambana eo anivon’ ny mpianatra (Marema), manerana ny distrika 119. Nanompanana ny fanofanana tamin’izao fihaonambe izao ny momba ny politika sy ny antoko. Eo koa ny haitarika “Leadership” ary ny lafiny serasera sy ny fifandraisana. “Ilain’ny tanora izany fiofanana izany […]




