Efa nifarana ny fanisana mpifidy mitety ny isan-tokantrano. Naneho ny heviny momba izany ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). «Sahirana be ireo mpanisa mpifidy amin’ny fandehanana manisa mpifidy eny anivon’ny tokantranon’olona. Satria betsaka koa ny olona no tsy tratra an-trano», hoy Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tonia […]
Politika
Antenimierandoholona: nahomby 95% ny fambolen-kazo
Nidina ifotony tany Tsaramandroso, Manerinerina Ankazobe roa andro mialohan’ny fambolen-kazo hatao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimananana, omaly. Nahavelom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany tamin’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa. Nojerena koa ny velarantany hatrany amin’ny 50ha hovolen’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona zanakazo miisa 70 000 fototra. “Tanjona ny hiarovana […]
Distrikan’Atsimondrano: nanohana ireo traboina ny tanora sy ny vehivavy Tim
Nijery sy nanampy ireo traboina, nohon’ ny fiakaran’ ny rano, teny amin’ny kaominina Ampitatafika ny depiote Ratsimbazafy Alain, niaraka amin’ny ben’ ny Tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Teo koa ireo vehivavy sy tanora Tim eny Atsimondrano. “Noraisina ny andraikitra ho fanampiana azy ireo noho ny voin-kava-mahatratra”, hoy izy ireo. Etsy andaniny, […]
Fifidianana: miantso ny filoha mbola ho kandidà ny Betsi-Groupe
“Mangataka ny filoha Rajoelina Andry mba hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena indray amin’ny fifidianana ho avy izao. Hitohizan’ ireo asa fampandrosoana maro sosona, efa natomboka. Manamafy koa izahay ny fahavononana sy fandresen-dahatra amin’ny fanohanana anao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Betsi-Groupe, Randrianasolo Tsila, tetsy Mahamasina, omaly. Niantso ireo fikambanana hafa, mitovy hevitra […]
Fitantanana sy andraikitra: efa naniry ny ho ben’ny Tanàna, fony fahakely Rabenandrasana Mamy
Iza izy ? Rabenandrasana Solofonjanahary Mamy Rolland, ben’ny Tanànan’ny kaominina Mahereza, Ambohidratrimo. 34 taona ary manambady sy zanaka mirahalahy. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo, toy ny ravintoto sy henan-kisoa. Manao ny haiady, toy ny taekwondo sy karaté ary ny lomano koa izy. Mpankafy ny tarika Mahaleo sy Erick Manana ary ny […]




