Politika

Rajoelina Andry: “Hidina ny vidin-jiro”

Notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ilay foibe famokarana herinaratra etsy Farahantsana, Mahitsy. Betsaka ny tombony ho azo amin’izany tetikasa izany, araka ny nambarany. “Hanampy ny Jirama amin’ny famokarana herinaratra ity foibe ity ary ahafahana mamatsy ny tambajotra. Hanampy amin’ny fampidinana ny vidin’ny herinaratry ny Jirama koa”, hoy izy. Maherin’ny 150.000 […]

Fanangonan-tsonian’ireo depiote : ahina ho saro-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina

Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitri­hin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy misy kajikajy politika ny kopia faobe”

Nitondra fanazavana ma­noloana ny feo miely ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, omaly. Nazava ny nambarany, tetsy Mahamasina, afakomaly. “Adihevitra tsy tokony hipetraka ny fampifandraisana ny hetsika kopia faobe sy fanaovana karapanondro amin’ny kajikajy politika. Tsy tokony hirona amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy hevi-diso isika mba tsy hiteraka […]

Fanaovana tombana: nifampidinika momba ny fifidianana ny Sadc sy ny FFKM

Tsy azo ihodivirana koa ny fiangonana. Anisan’ny nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny eo anivon’ny birao foiben’ny FFKM. Natao teny Ambohimanoro izany, omaly ka voaresaka ny tombana sy ny fanomanana ary ny fikarakarana fifidianana. Anisan’ny votoatin’ny dinika ny fahitan’ny fiango­nana ny fanomanana ny fifidianana sy ny fikarakarana izany ary koa […]

Depiote Rajoelina Seth: “Voajery ny sosialim- bahoaka “

“Niavaka lalàna mifehy ny tetibola (LFI) isan-taona hatramin’izay naha solombavambahoaka izay ny amin’ity. Satria hita hoe voarafitra sy voatsinjara tsara ilay izy, indrindra ho an’ireo minisi­tera miandraikitra ny lafiny sosialim-bahoaka: ny mponina, ny rano, ny fambolena, ny fahasalamana, ny fampianarana”, hoy ny depiote , Rajoe­lina Seth. Izay sosialim-bahoaka izay no […]