“Tena famotehana ny maha olona sy ny firenena ny zava-mahadomelina”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fidirana sy fiparitahana zava-mahadomelina eto Madagasikara amin’izao na tsy misy miresaka firy aza tato ho ato izay. Rehefa domelina ny tena, mitavana ny eto an-toerana ny hafa. Variana amin’ny zava-mahadomelina ny sasany […]
Politika
Andriamalazaray Andoniaina : “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana”
Mby aiza ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana amin’izao? Hatramin’ny fanomanana ny fikarakarana fifidianana… Maneho fijeriny ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): 37% amin’izao ny taham-pisoratana anarana amin’ ny lisi-pifidianana. Ho vita amin’ny faran’ny taona […]
Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina
“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filohan’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i […]
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka tsy hanelezana vaovao diso ny maha “lanceur d’alerte”
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), manoloana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy. Nohitsin’ny minisitera tamin’izany ny fisian’ireo olona sasany avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, miafina ao ambadiky ny sata maha mpisintona lakolosy “Lanceur d’alerte” azy ireo. “Atao izany mba hanaovana asa fanelezana vaovao diso, ny fanalam-baraka… […]
Mpirakidraharaha: hiverina ny karama tapaka
“Miverina ny karaman’izy ireo, ny volana desambra, satria efa miverina miasa izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Anosy, omaly momba ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 nanao fitokonana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny zo hanao fitokonana, saingy misy fetrany : rehefa tsy misy asa, tsy misy karama. Nandray […]




