Politika

Lisi-pifidianana : mpifidy 37,31 % ireo voasoratra anarana

Namoaka ny tatitry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana tao anatin’ny roa volana ny eo anivon’ny Ceni, omaly tetsy Mahamasina. Teo koa ny fihainoan’izy ireo ny mpisehatra politika. Mahatratra 13 593 000 ny tanjona napetraka ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ao anatin’izao fanavaozana tanteraka izao. Miisa 5 071 688 na […]

Firaisamonina sivily : “Tsy manaja lalàna ny fitorian’ny Gel”

“Tokony hamoahan’ny fi­tsarana didy aloha ilay fitorohana napetraky ny TI-MG, izay vao azo sokajina ho fanendrin­kendrehana tsy marim-pototra, raha voaporofo fa tsy mitombina ny ahiahiny. Tsy izany anefa ny zava-mitranga ankehitriny. Tsy manaja ny fepetra voafaritry ny lalàna ny fitoriana napetraky ny Gel.” Io ny fanambarana hoe “I Madagasikara: hiady […]

Antoko Hiaraka isika: nanentana ny mpifidy hisoratra anarana

Nanentana ireo feno taona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, amin’izao fanavaozana tanteraka tanterahin’ ny Ceni izao ny eo anivon’ny antoko Hiaraka isika. Anisan’ ny nanaovan’izy ireo fanentanana tamin’izany ny tany Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. “Mba tsy ho very zo ireo mpifidy amin’ ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny herintaona”, hoy ny […]

Tsy fandriampahalemana: miantso vonjy ireo olom-boafidy any Menabe

“Manao antso izahay fa aty ifotony, be ny tsy fandriampahalemana ary manomboka mirongatra. Nefa rehefa mba miantso izahay, tsy mandray telefaonina ireo tomponandraikitra momba izany, na tsy misy ny solika, na mbola mian­dry ny tomponandraikitra avy any Antananarivo hanao sonia momba ny basy.” Io ny fanambaran’ireo olom-boafidy ao amin’ny di­strik’i […]

IDC-CDI : mitaky ny hanamafisana ny demokrasia

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tany Panama ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ny taona 2022. Nitarika izany ny filoha, i Andrés Pas­trana. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny toe-draharaha politika sy toekarena maneran-tany. Voaresak’ireo nifandimby nandaha-teny ny fepetra tokony horaisina. “Tokony hamafisina ny demokrasia, indrindra ho an’ny […]