Politika

Fisalasalan’ireo depiote: naato ny fandinihana ny momba ireo ben’ny Tanàna

Nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Niverenana nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena indray, omaly, ilay tolo-dalàna momba ny fitsinjaram-pahefana. Efa nolanian’ireo loholona izany, saingy nasiam-panitsiana ary izao naverina eny Tsimbazaza izao indray. Nivoitra tamin’izany fa ahina hiteraka olana lehibe eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mihantona amin’ny asany ny ben’ny Tanàna noho ny raharaha mahavoarohirohy […]

Lakolosy fanairan’ny fiarahamonim-pirenena: “Aoka tsy hosakanan’ny depiote ireo tokony hotsaraina “

Nanao fanambarana, misintona lakolosy ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena miisa valo, omaly. Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mandeha any amin’ny fahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana, ahitana ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, ireo mpomba ny fitondrana (IRD) maro anisa, araka ny fanambarana. “Takinay […]

Andrimpanjakana mpanao lalàna: tsy mbola nivory mihitsy ny Antenimierandoholona

Ho feno iray volana amin’ity herinandro ity ny nanombohan’ny fotoam-pivorian’ny parlemanta roa tonta. Mbola tsy nanomboka ny asany ny ao amin’ny Antenimierandoholona ary tsy mbola nivory na indray mandeha aza hatramin’izao.  Tsy mbola nisy na andinin-dalàna iray ka nodihin’ireo loholona tetsy Anosikely. Mbola mamita iraka any ivelany, efa andro maromaro, […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte”sy ny mpikarama an’ady”

Miseholany etsy sy eroa ny karazana fanairana amin’ny trangan-javatra eny anivon’ny  fiarahamonina. Maneho ny fijeriny ny depiote voafidy tany Miarinarivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra: “Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte” sy ny mpikarama an’ady”. Fanehoan-kevitra… “Izahay ao amin’ny Vaomieran’ny serasera, eto anivon’ny Antenimierampirenena, mifampiresaka amin’ireo sehatra iraisam-pirenena, izay […]

Antoko Fiombonana : “Tsy mbola tara ny fifampidinihana”

Aleo tratra aoriana toy izay tsy misy. Eo no anairan’ny antoko Fiombonana ny rehetra hiombona, hiverina amin’ny fifampidinihana, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane, manoloana ny fanomanana ny fifidianana ao anatin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Tsy mbola tratra aoriana izay fifampidinihana izay amin’izao, […]