Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy Anosikely ny ambasadaoron’i Japon, i Abe Koji, afakomaly. “Manana tetikasa maro eto amintsika ary mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka i Japon”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa Ambatovy. Eo koa ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Toamasina ary koa ny […]
Politika
Minisitry ny Fitsarana: “Mitady lalana hamerenana ireo volamena isika”
“Tsy sasatra mitady lalana ny fitondram-panjakana ny hamerenana eto amintsika an’ireo volemana any Kaomoro sy Afrika Atsimo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Faravohitra, afakomaly, momba ireo volamena avy eto Madagasikara, tratra tany Afrika Atsimo sy Kaomoro. Ny mahasarotra ny famerenana ireo volamena tratra tany ivelany ireo ny […]
Ramamimampionona Gérard: “Manomboka eo amin’ny tsirairay ny fandriampahalemana”
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato. Inona ny vahaolana? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Inona no atao hoe olombelona? Raha misy ny tsy fandriampahalemana, ny olona no olana. Raha vao tsy araka ny tokony ho izy ny olona, tsy mandry fahalemana izay.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]
Depiote Andrianandrasana Norbert: “Mila hatsaraina ny sosialim-bahoaka”
“Efa betsaka ny vitan’ny fanjakana amin’ny fotodrafitrasa. Ny amin’ny sosialim-bahoaka, tao anaty lavaka isika nandritra ny taona maro. Miezaka ny fitondram-panjakana mijery izay amin’izao fotoana izao. Mila hatsaraina izay, araka ny fahitanay azy“, hoy ny depiote, Andrianandrasana Norbert Marie Ignace. Any Mananjary, ohatra, ny tantsaha no tokony hojeren’ny fanjakana akaiky […]
Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana: hohamafisin’ny Bianco ny ady amin’ny kolikoly…
Napetraka ny herinandro teo hitantana ny rantsamangaikan’ny Bianco any Manakara i Mananjara Andy. Am-perinasa avy hatrany izany ary nametraka fanamby hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny antony nametrahana izany maha faritra mamokatra sy manana tanjaka ara-toekarena ireo faritra ireo. Mila fiantohana ny […]




