Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakandriana teny amin’ny fampanoavana, omaly. Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa […]
Politika
Ntsay Christian: “Aoka tsy hizarazara ianareo mpitandro filaminana”
Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC. «Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny […]
Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha
Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany. “Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra […]
Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana
“Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]
Fijerena sy fiahiana ny mpiasam-panjakana: nampiakarina ho 11% ny tetibola ho an’ny karama
Anisan’ny nisongadina tamin’ny famelabelaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, i Rindra Hasimbelo, ny momba ny volavolan’ny tetibola, ho an’ny taona 2023 ny momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Eo koa ireo fotodrafitrasa… Nambarany fa hiakatra hatrany amin’ny 11,9% ny tetibola ampiasaina amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ho an’ny taona avy. Tsy […]




