Nampijaliana nandritra ny alina iray manontolo i Nomena, sakaizan’ilay vahaza. Tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy, saika hariana tany Toamasina ny razana avy eo. Nomelohin’ny fitsarana, ny alatsinainy 6 marsa teo, higadra asa an-terovozona mandra-pahafaty ilay teratany frantsay nanolana sady namono ny sakaizany tetsy Talatamaty tamin’ny taona 2021. Roa […]
Songadina
Filoha Andry Rajoelina : naneho fitiavana ny any Atsimo Andrefana
Nitsidika ny any Atsimo Andrefana, nanomboka tao Toliara, ny filoha Rajoelina Andry mivady, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoiny ny fitiavany ny any amin’iny faritra iny, indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Freddy. “Tsy mifanary isika ary tsy maintsy mifanampy na amin’ny mora na amin’ny sarotra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy miova ny […]
Saika hiondrana antsokosoko : olona 22 hita faty narendriky ny sambo
Tafakatra 22 ireo olona hita faty taorian’ilay lozan-dranomasina teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly, afakomaly. Ireo 24 hita velona kosa nitsoaka sy karohina noho ny tahotra. Faty olona niraradraraka. Nitrangana lozan-dranomasina mahatsiravina teo Ankazomborona, fokontany sy kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Rendrika teo anelanelan’ Ankazomborona sy Nosy […]
Fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fiarovana : ho hentitra sy hamafisina ny fitsipi-pifehezan’ny Tafika
Nanolotra ny fandaharanasa sy ny fomba fiasa ho an’ ny taona 2023 tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, tetsy Soanierana. Anisan’ny toromarika nomeny ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny asa sy vina ary paikady napetraky ny minisitera, iandraiketany. Nambarany fa hohamafisina […]
Haitao arakajy mirindra : fitaratra aty Afrika i Madagasikara
Sehatra miroborobo ny haitao arakajy mirindra eto Madagasikara. Fitaratara aty Afrika isika saingy vidian-dafo izany no mbola tsy voafehy tanteraka ny fampiasana azy. Ny 19 sy 20 mey 2023, handray ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fifindrana amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra (transformation digitale) i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Filoha Rajoelina […]