Songadina

Fanovana ny governemanta: miisa 8 ireo minisitra vaovao

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanovana ampahany amin’ireo eo anivon’ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Miisa valo ireo mpikambana vaovao notendrena tamin’izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, Pelan­droy Espérance, omaly teny Ambohitsorohitra ny anaran’ireo minisitra vaovao eo anivon’ny governemanta. Voaten­dry ho minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Général de division Rakotoharijaona […]

Nanendaka ramatoa teny 67 ha: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

Nirefotra indray ny basin’ny polisy teny Andohatape­naka, ny faran’ny herinandro teo. Maty voatifitra ny jiolahy iray avy nanendaka ramatoa mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny polisy (CSP7), ramatoa mpivarotra iray no lasibatry ny jiolahy niaraka tamin’ny antsibe tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy anefa ny […]

Jery taratra…Tsy miandry ny tsy afaka

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny datim-pifidianana naroson’ny Ceni. Amin’ny 9 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany, ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, raha misy. Andrasana ny hamoahan’ny governemanta ny didim-panjakana fihaikana mpifidy. Ho ao anatin’izany ny fe-potoan’ny firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra… Ny governemanta izao sa ny vaovao […]

« Raharaha Allan »: olona 10 nalefa eny Antanimora

Niakatra fampanoavana afakomaly hariva ireo olona 10 voasaringotra tamin’ilay vono olona mahatsiravina tetsy Andavamamba, ny herinandro teo. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy 10. Isan’izany ireo mpivady voatondro ho atidoha nikotrika ny raharaha, ny rahalahin’ilay lehilahy sy ireo namany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa resaka hofan-trano no namonoana […]