Songadina

Migadra mandra-pahafaty : mpirahalahy namono ny ray aman-dreniny

Niakatra fitsarana, omaly, ireo mpirahalahy, nilaza fa noentin-javatra ka namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Voa­sazy higadra sy manao asa an-terivozona mandra-pahafaty izy ireo. Hafa kely, tsy faheno matetika….! Notsaraina teo anivon’ny sampam-pitsarana misahana ny ady heloka bevava tany Toama­sina, ny zoma 8 novambra lasa teo, ireo mpiray tampo […]

Famorana na didim-poitra: fomba mbola fanao saingy miova tsikelikely ny endri-pankalazana

Vitsy no manao ny famorana antsakany sy andavany ankehitriny noho ny antony maro. Mbola ataon’ny rehetra kosa anefa izany, indrindra ny Malagasy. Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan’ny taovam-pananahan’ny lehilahy iny no atao hoe famorana. Ani­san’ ireo firenena manao izany ary manasokajy azy ity ho fomba mihitsy […]

Taon-jato faha-21: mitombo ny fandaniana solika eto Madagasikara

Mitombo 2,1 % ny fanjifana solika amin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-da­sa, araka ny tatitra navoakan’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures). Be mpan­jifa indrindra ny gazoala ary mitombo hatrany ny fampiasana azy. Porofo iray ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Nahatratra 563 167 m3 ny solika lany nandritra ny enim-bolana voalohany […]

Fetin’ny maty ao Morafeno : mampifanindran-dalana ny fomba kristianina sy nentin-drazana

Fomba tsy dia fahita sy re matetika ny fa­natsarana ny rafi-piarahamonina ao amin’ny fokontany  Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Maro­mi­tety, distrikan’i Vavatenina. Dimy taona lasa izay, nampifandraisina ny fi­noana kristianina sy nentin-drazana rehefa hankalaza ny fetin’ny maty ary hita fa tsara ho an’ny rafi-piarahamonina ao an-tanàna izany. Tsy misy mifanome tsiny sy […]

Sôva sy ny vaky sôva: Kolontsaina mitantara sy mitsikera ny fiainam-bahoaka

Mozika sy gadona iray manana ny lanjany eny anivon’ny fiarahamonina ny sôva. Kolontsaina iray manana ny maha izy azy, indrindra eto amin’ny faritra Anala­man­ga izy io. Raha ny zava-misy, vitsy ny ma­hafantatra azy noho ny tsy fahampian’ny hetsika fampahafantarana izany eto amin’ny Nosy. Mitantara sy miventy an-kira ny fiainam-bahoaka misy […]