Songadina

Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao

Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsi­nanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Pa­pa Fransoa hitantana io diosezy io.  Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Ma­sina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. […]

Akademia Malagasy Rugby: Hisy fiofanana arakasa ho an’ireo voafantina

Hanangana ivontoeram-piofanana Akademia Mala­gasy Rugby, ny Fe­de­rasionina eto an-toerana. Hatao etsy amin’ny Kianja Ma­kis Andohata­pe­naka izany tetikasa vaovao izany. Nambaran-dRakoto­malala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby (MR), omaly, tetsy Ankoron­drano, fa efa ao anatin’ny tetikasa amin’ilay fananganana ny Akademia Malagasy ny taranja Rugby ny Federasio­nina amin’izao fotoana. Tan­jona amin’izany ny hisian’ny fiofanana […]

Zava-mahadomelina : 8 tapitrisa isan-taona ny maty vokatry ny fifohana sigara

Miha mahazo vahana eto amin’ny firenena ny fivarotana sigara sy paraky. Ankoatra ny sigara fahita andavanandro, maka laka tsikelikely ihany koa ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka nefa izy ireny. Mahatratra hatramin’ny 1,3 miliara ny olona he­verina ho mpifoka sigara maneran-tany, raha ny antontanisa farany navoakan’ […]

Antontan-tataratsin’ady 121 isa : Voampanga miisa 22 voaheloka higadra mandra-pahafaty tany Toamasina

Niakatra teo anivon’ ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny raha­raha mahakasika ny vono olona tany an-toerana, ny 19 may ka hatramin’ny 02 jolay lasa teo. Antontan-taratasin’ ady 121 be izao no notsaraina nandritra izany. Nahitana ny didy hitsivolana voalohany, laharana faha 61-CC/C.A/ TOA/25, izay nivoaka ny 5 may 2025. Teo […]

Asa fivarotana eny Analakely sy ny manodidina : Mahazo tombony 10 000 Ariary isan’andro ny mpivarotra kafe iray

Rano fisotro efa mahazatra ny Ma­lagasy amin’ny an­kapobeny ny kafe. Misy amin’ireo mpi­sehatra amin’izany no milaza fa mahita tombony manodidina ny 10 000 Ariary isan’ andro. Misy tom­bon­tsoa sy voka-dra­tsy anefa izy ireny. Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa […]