Fidiram-bola ho an’ny tokantrano malagasy maro ny jono. Miantoka ny toekarem-pirenena sy ny harin-karena faobe koa. Taona maro izao, mihavitsy ny trondro an-dranomasina na an-dranomamy eto Madagasikara. Azo avy amin’ny tsy fanarahan-dalàna avokoa ny antsasaky ny vokatry ny jono eto Madagasikara. Mihena ny trondro (filao na fya ) any amorontsiraka […]
Songadina
Fandrosoana sy fivoarana : manampy betsaka ny vehivavy handraharaha ny fahatokisan-tena
Maro ny vehivavy manana talenta sy afaka manao zavatra eto Madagasikara fa betsaka koa ny sakana tsy ahafahany mamoaka izany, raha ny zava-misy. Indrindra ny fidirana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mbola matahotra sy tsy sahy miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny vehivavy, Malagasy. Olana voalohany indrindra mahatonga izany ny […]
Ronaldo Jojoline : « Fitiavana sy fankafizana no anaovana ny fanentanana… »
Tsy zovina amin’ ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, raha i Ronaldo. Mpankafy ary anisan’ ny mpanentana mahafatra-po izy rehefa misy lalao iraisam-pirenena tanterahina eto Madagasikara. Didier Eymard no tena anarany fa Ronaldo Jojoline no ahafantaran’ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, azy. Raim-pianakaviana 51 taona, manan-janaka efatra i […]
Mahafaty olona betsaka : mampiakatra tosidra ny adin-tsaina sy fomba fiaina tsy milamina
Mirongatra ary mahafaty olona maro ny fiakaran’ny tosidra maneran-tany. Ahitana izany ny eto Madagasikara. 40%-n’ny olona mahazo taona no voan’ny tosidra miakatra, raha ny tarehimarika navoakan’ny antontan’isa momba ny fahasalamana avy amin’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny taona 2021. Maro ny antony tena mahatonga ny fiakaran’ny tosidra eo amin’ny olona iray. […]
Ranaivoson Odilon, filohan’ny ORTU: hampiroborobo ny fizahantany an-dranomasina
Niova ny firafitry ny filankevi-pitantanan’ny ofisy rejionalin’ny fizahantany ORTU any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Lany nandritra ny fifidianana ny filoha vaovao mpitantana, Ranaivoson Odilon. Nahavita fianarana ma hakasika ny siansan’ny toekarena sy ny fitantanana tany UMons Belgique izy. Mpiara-miombon’antoka sy mpitana trano fandraisam-bahiny “Princesse de Lagon” sy “O village” any […]