Songadina

Heverina ho manatsara fiainana: mitondra vintana amin’ny fidiram-bola ny voninkazo felantanantsifoana

Samy manana ny anjara asany avokoa ny zava-boahary sy ny zavamaniry rehetra eto ambonin’ny tany. Anisan’ny voninkazo manambina sy mampidi-bola ho an’ny olona na tokantrano iray ny fambolena ny voninkazo antsoina hoe « felantanantsifoana ». Voninkazo tena manan-danja eo amin’ny Mala­gasy ny voninkazo antsoina hoe : “ felantanantsifoana”. Anisan’ny mampiavaka azy amin’ny […]

Fototry ny fanabeazana: mikojakoja ny saina sy ny fitadidiana eo amin’ny ankizy ny vaky boky

Raha oharina ta­min’ny folo taona lasa, hita ho niha narisika ny ankizy sy ny tanora ankehitriny amin’ny fa­makiana boky, araka ny fanadihadiana natao. Ani­san’ny tombontsoa azo avy amin’izany ny fikolokoloana ny saina sy ny fanitaram-pahalalana. Fototra, manana ny lanjany lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny vaky boky. […]

Sarimihetsika malagasy: Anisan’ny sangany sy nanana ny naha izy azy fahiny

Haikanto sy sehatr’ asa anisan’ny mbola malalaka ny tonto­lon’ny sarimihetsika eto Mada­gasikara, araka ny nambaran’ ireo Malagasy matihanina eo amin’io sehatra io. Mbola maro ihany koa ny ezaka tokony hatao mba hahatonga izany ho matihanina sy ara-dalàna. Ny taona 70 no tena fi­aingana ho an’ny sinema malagasy. Nahitana ny fanokafana ny […]

Sehatry ny fandraharahana: lany filoha hitantanana ny FEAA i Samarthe Anny Corine

Taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitondran’ny mpitantana ny fikambananan’ny vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny Faritra Atsimo An­drefana (FEAA) teo aloha. Niroso tamin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao ny mpikambana. Lany nandritra izany i Samarthe Anny Corine, vehivavy 32 taona Mpandraharaha iray tompon’ny orinasa Amara, misahana ny taovolo sy endrika, ny trano sy taozavatra vita […]

Fanapahan-doha: sorona sy fanakorontanana

Trangam-piarahamonina mampivarahontsana ny maha­ka­sika ny fanapahan-doha olona tao atsimon’ny Nosy. Voa­ma­rina fa misy ny mpanao  sorona. Misy ny fanakorontanana. Toy ny re­saka taolam-paty, tsy hita mazava anefa ny tena “Deba”. Fanadi­hadiana. Nirongatra ny fanapahan-doha tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nifanindran-dalana tamin’ny halatra voamaso sy ny famonoana zaza varira izany. Nisy ny […]