Songadina

Telovolana faharoa : fotoana hampiakarana ny fahaizan’ny mpianatra sy hamitana ny fandaharam-pianarana

Miditra ao ana­tin’ny telovolana faharoa ny taom-pianarana eny anivon’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa, afakomaly. Izay hifarana amin’ny 1 mar­sa, araka ny te­tiandrom-pampianarana 2023-2024. Mifantoka amin’ny famerenana sy fampaha­tsiahivana ny lesona natao teo aloha ny ataon’ny mpampianatra ao anatin’ny herinandro fidirana voalohany. Mba hampiverenana ny sain’ny ankizy amin’ny fianarana taorian’ny […]

Fahasimban’ny atin’ny ranomasina : Potika ny tontolo iainan’ny mpanjono any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo

Efa mihasimba tanteraka ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina eto am­bonin’ny tany an­kehitriny. Vokatry ny tsindry ataon’ ny olombelona avokoa ny anton’ izany. Ani­san’ny misedra olana no­ho ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny mpa­n­jono sy ny mpa­mpiasa ranomasina. Miaina eto ambonin’ny tany avokoa ny karazan-javamananaina rehetra, raha ny tontolo iainana no […]

Hira fahiny : mitahiry soatoavina sy kolontsaina malagasy

Mbola maro mpan­kafy sy be mpitady ny hi­ran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny, ankehitriny. Anisan’ny mitahiry ny kolontsaina malagasy izy ireny, hoy ny mpanakanto. Mizara roa lehibe ny fahitan’ny mpanakanto mamelona ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny eto Madagasikara, ankehitriny. Voalohany, zava-dehibe ny soatoavina ao anatin’ny hira. Manana anjara […]

Fitaterana: nihena 144 ny fiara miala eto an-drenivohitra mampitohy ny faritra

Anisan’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha mi­vezivezy eto an-drenivohitra mankany amin’ny faritra ny vanim-po­toan’ny fety. Nahi­tam-pihenana kosa izany, amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fotoana talohan’ny fetin’ny Krismasy, nanomboka ny 22 de­sambra lasa teo. Anisan’ny be mpandeha indrindra ny lalam-pirenena fahefatra mankany amin’ny faritr’i Betsiboka sy Boeny. Mahatratra hatrany amin’ny 84 ny isan’ny […]

Famokarana saribao ekolojika: miaro ny tontolo iainana, manatsara ny fiveloman’ny vehivavy sahirana

Efa manomboka miroborobo maneran-tany ny famokarana orinasa mikendry ny fanajana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny tetikasa famokaran’ny fikambanam-behivavy “Arimbao” eto an-drenivohitra. Misy fikambanam-behivavy 30 avy ao amin’ ny fokontany Ando­ha­tapenaka II, misehatra amin’ ny famokarana arina fandrehitra ekolojika «Arimbao». Ve­hi­vavy Mahery no anaran’ny fikambanan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vokarin’ny […]