Songadina

Famokarana saribao ekolojika: miaro ny tontolo iainana, manatsara ny fiveloman’ny vehivavy sahirana

Efa manomboka miroborobo maneran-tany ny famokarana orinasa mikendry ny fanajana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny tetikasa famokaran’ny fikambanam-behivavy “Arimbao” eto an-drenivohitra. Misy fikambanam-behivavy 30 avy ao amin’ ny fokontany Ando­ha­tapenaka II, misehatra amin’ ny famokarana arina fandrehitra ekolojika «Arimbao». Ve­hi­vavy Mahery no anaran’ny fikambanan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vokarin’ny […]

Vita fety : sarotra ho an’ny fitadiavam-bolan’ny tsirairay ny volana janoary

Nihanoka ny fankalazana ny fety telo sosona ny vahoaka tsirairay nandritra iny vo­lana desambra ha­tramin’ny fiandohan’ny taona teo iny. Miezaka mitady vola ahafahana miatrika ny volana janoary sy ny vo­lana manaraka in­dray, taorian’izany. Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao, miverina amin’ny fiainana andavanandrony avokoa […]

Fetin’ny faran’ny taona : 150 000 hatramin’ny 300 000 Ariary ny tapakila

Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka. Maro ny mijanona an-trano. Betsaka ny mandeha alim-padihizana izay tafakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny vidim-pidirana. “Lazaina fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy ny mpikarakara lanonana […]

fankalazana ny Krismasy : anisan’ny ravaka tsy misaraka amin’ny fety ny hazonoely

Akaiky ny Krismasy, mandravaka ny tokantrano, amin’ny alalan’ny hazonoely sy karazana kilalao maro samihafa, ny olona. Natao hampifaliana ny ankizy ny tena antony mahatonga azy ireo manao izany. Andro sisa no isaina dia hiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny Noely na Krisma­sy ny firenena maneran-tany. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa i Mada­gasikara. Fety natao hankalazana zava-baovao sy fiavian’ny ma­zava ny atao hoe Noely, raha […]