Songadina

Kolontsain’ny firotsahana an-tsitrapo : Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena

Nankalazaina oma­ly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo. Natao tetsy amin’ny Ha­voria Anosy ny hetsika fanamarihana izany ho an’Anta­nanarivo. Hetsika teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. «Kolontsaina sy toe-tsaina ny firotsahana an-tsitrapo ary tokony hovolena ao anatin’ny isam-batan’olona », hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara […]

Noho ny zava-misy ao an-tokantrano : Lehilahy ny ankamaroan’ny mpanao herisetra an-tsekoly

Olana eto amin’ny firenena malagasy ny mbola fahamaroan’ny herisetra an-tsekoly. Ani­san’ny lasibatra amin’izany, ny an­kizivavy sy ny zatovovavy any am-pianarana. Ilaina anefa ny fandraisan’andraikitry ny sekoly manoloana izany. “Betsaka voa sy iha­ran’ny herisetra an-tsekoly ny vehivavy sy ny ankizivavy”, raha ny fanadihadiana nataon’ny fi­kambanana ImasoIvoho, izay nanaovan’izy ireo tatitra tetsy […]

Firongatry ny haromotana: Tafiditra ao anatin’ny faritra mena i Toamasina

Anisan’ny vanim-potoana mampiron­gatra ny haromotana ny vaninandro mafana tahaka izao. Ahitana tranga maro momba izany ny any amin’ny renivohitry ny faritra Atsi­nanana. Vokany, ta­fi­ditra ao anatin’ny faritra mena mahakasika io tranga io ny any an-toerana. Mirongatra ny haromotana mahazo ny olona, izay azo avy amin’ny kaikitry ny alika, any Toa­masina, […]

Fivontosana eo amin’ny taovan’olombelona : 60 taona eo ny lehilahy, betsaka voan’ny homamiadan’ny prostaty

Aretina iray tsy dia be mpahafantatra ny homamiadan’ny prostaty. Aretina voalohany mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy izy io, izay miseho amin’ny fivontosana eo amin’io taova io. Anisan’ny homamiadana voalohany indrindra mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy eto Madaga­si­kara ny prostaty, raha ny fa­na­dihadiana nataon’ny Asso­cia­tion d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Mada­gas­car […]

Kaikitry ny saka sy ny alika : mahafaty olona ny haromotana raha tsy voatsabo ara-dalàna

Vitsy ny olona ma­hafantatra ny aretina haromotana eto Mada­gasikara. Azo avy amin’ny viriosy avy amin’ny biby toy ny saka, alika, izany. Mita­rika amin’ny fa­hafatesan’ ilay olo­na satria tsy mbola misy ny fanafody manokana hiadivana amin’izany. Aretina azo avy amin’ny viriosy ary mifindra amin’ny alalan’ny kaikitra na lelaka amin’ny fery na […]