Songadina

« Les Doctoriales » andiany faha-11 : Hanomezan-danja ny voka-pikarohana ho an’ny fampandrosoana maharitra

Nanomboka ny ta­lata ary haharitra efatr’andro ny hetsika « les doctoriales », andiany faha-11. Tontosaina eny amin’ny tranom-bokin’ny Oniver­siten’Antananarivo Ankatso izany. Hetsika ifanakalozan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mp­a­mpianatra, manana ny mari-pahaizana “doctorat”. Na­tao hampivondronana ireo doctorants eny anivon’ny Oniver­siten’Antananarivo sy avy any amin’ny faritra ary ireo oniversite sasany eto An­tananarivo sy avy […]

Fanajana ny zon’ny ankizy: Mila ezaka goavana ny fampiharana ho an’ny eto Madagasikara

Mampihoron-koditra ny trangan-javatra mahazo ny ankizy malagasy eto amin­tsika. Tsy voahaja sy goragora ny fanaraha-maso, indrindra ny fampiharana ny fanajana ny zon’ izy ireo. Tranga hita eny anivon’ny fianakaviana sy fiarahamonina. Mirongatra eo anivon’ny fianakaviana na havana mifanakaiky ny fanolanana ankizivavy zanaky ny havany akaiky. Matetika ny dadatoa, dadabe, dadafara, […]

Nosy Ste Marie : Mampiavaka azy ny fahadiovana sy ny tantaran’ireo jiolahin-tsambo

Madio, miavaka amin’ ireo nosy rehetra eto Madagasikara i Sainte Marie. Manana ny foto-pivelomany sy mampalaza azy ity faritra iray ity. Maro ireo olona nanaovana fanadihadiana teny an-toerana, saingy nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny antony manokana. Nosy iray any amin’ny fa­ritra atsinanan’i Mada­gasikara i Sainte Marie. Toerana iray […]

Fianarana ambaratonga ambony: Mahaliana ny tanora ny famoriana fiaramanidina

Mananosarotra amin’ny tanora ny fisafidianana la­lam-­piofanana ara­hina aorian’ny fa­ha­fahana fanadinana bakalorea. Ma­nom­boka mahaliana ny azy ireo ny fandratoana ny lalam-piofanana mahakasika ny tontolon’ny famoriana fiaramanidina. Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea eto Madagasikara. Kely dia kely ny fahafahana mandray mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana, raha mitaha ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana […]

Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra

Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro. Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao […]