Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampidirana mpianatra ny maro amin’izao fotoana izao. Telo alina ariary eo ny vidin’ny iray paquet amin’ny kahie lehibe, 200 pejy, amin’izao fotoana izao, araka ny fanadihadiana natao tetsy Analakely, omaly. Raha ny hita teny an-toerana, miisa dimy ny kahie hita anaty fonosana, izany hoe, 6 000 Ar ny […]
Songadina
Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Tafody an-tanindrazana, 128 taona aty aoriana
128 taona aty aorian’ny nahafatesany, tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara, omaly, ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Efa nihazo tsikelikely an’i Belo Tsiribihina izany taorian’ny lanonana teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Fort Duchesne. Reharehan’ny Malagasy tsivakivolo. Nijanona ary nanome voninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany mpitari-tafika roa lahy, izay rehetra […]
Biby hafakely : Mahasarika ny maro noho izy ireny manala rarintsaina
Seha-pihariana iray mahaliana sy mahasarika olona maro ny fiompiana karazam-biby hafakely. Manampy ny olona amin’ny fanalana ny rarintsaina mahazo azy ny miompy azy ireny. Mahaliana sy efa mahazo vahana eto Madagasikara ny fiompiana ireo karazam-biby hafakely tsy fahita firy, na miala amin’ny mahazatra. Misy mihitsy ny manao izany ho asa […]
Fihodinan’ny toekarena : Manana anjara toerana lehibe ny orinasa madinika sy salantsalany
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny toekarena eto amin’ ny Nosy, ny orinasa madinika sy salantsalany. Ny PME no mampandeha ny toekarena malagasy. Matetika anefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, takon’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fifaninana, indrindra eo amin’ny famatsiam-bola. Mihena ankehitriny ny isan’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, toy ny […]
Zaridaina madinika : Zavakanto manome fahatoniana ara-tsaina
Zaridaina madinika hita amin’ny toerana maro samihafa ny “Jardin miniature”. Zavakanto mampifandray ny natiora sy ny fahaiza-mamorona izy io. Misy ny natao ao anaty siny, anaty vata, na amin’ny toerana kely ao an-trano na eny an-tokotany. Mitondra tombotsoa maro ho an’ny olon-drehetra ny fahitana sy ny famoronana azy ireny. Be […]




