Zava-dehibe sy manana ny hasiny manokana ho an’ny vahoaka malagasy ny fitahirizana ny afo tsy maty. Nozaraina tamin’ny vahoaka izy io ny harivan’ny sabotsy faran’ny taona lasa teo. Notehirizina am-pitandremana mba tsy ho faty eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy izy io nandritra ny alina tontolo, mandra-piposahan’ny masoandro, ny marain’ny taombaovao, […]
Songadina
Ligin’Analamanga, taranja basikety : Mifototra amin’ny fikarakarana ny eny ifotony
Nanomboka ny sabotsy sy alahady lasa teo ny fifaninanana rezionaly eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Nisy ihany koa talohan’izay ny fivoriambe notanterahina ny zoma 21 marsa lasa teo nahafahana namaritra ny fandaharam-potoana sy ny tetiandro ho an’ity taona ity. Araka ny efa tanjona napetraky ny liginAnalamanga […]
Tsy fandriampahalemana: Antony mampirongatra izany ny fahaverezan’ny soatoavina
Mirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, amin’ izao fotoana. Maro karazana ary miseho amin’ny endrika samihafa izany eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ izany ny fifamonoana amin’ny alalan’ny fitaovana maranitra: antsy, sabatra, basy sy ny maro hafa. Lasibatra amin’izany avokoa ny sarambabem-bahoaka. “Misy ifandraisany avokoa ny karazana tsy fandriampahalemana misy eto […]
Trano fonenana : Mbola vitsy ny manara-dalàna
Maherin’ny 6 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny trano fonenana eto Madagasikara ka ny 83% dia saika misoratra amin’ny olon-tokana. Karazan’ny maro no hita amin’izany. Raha fintinina ny ara-dalàna : misy jiro sy rano ary toeram-pidiovana. Betsaka anefa izy ireny no zara fa azo itoerana fotsiny. Singa iray lehibe hijerena […]
Nandresy an’i Centrafrique : Nahababo ny fon’ny Malagasy ny endri-dalao nasehon’ny Barea
Taorian’ny lalao nasehon’ny Barea, afakomaly, resy lahatra avokoa ny Malagasy maro. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo teknisianina sy mpankafy Barea, teto an-toerana. Tsy maty tao ambavan’ny maro, omaly, ny fandresena, 4 no ho 1, azon’ny Barea nanoloana ny Les Fauves Centrafrique, afakomaly, tany Maroc. Araka io vokatra io, misy ny […]