Efa nahitana ezaka goavana ny fitantanana ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina tao anatin’ny enim-bolana, raha ny zava-misy. Maro ny ezaka vita, toy ny fanaovana fotodrafitrasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Ambeti-tenin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, ny filazana fa tsy tokony hisy intsony ny disitrika na kaominina hadino amin’ny fampandrosoana eny itofony. […]
Songadina
Kaominin’i Bemasoandro : Nahoraka ny fitsenana an-dry Feno, Manda, Antonio, Barea Chan mpilalao
Manetriketrika! Noraisina tamin’ny fomba miavaka teny amin’ny kaominina Bemasoandro ireo mpilalao telo mirahalahy, izay nandrafitra ny Barea, nitondra avo ny voninahi-pirenena, nandritra ny “Chan 2024”. Ny alahady lasa teo, nafana sady nalaza teny amin’ny kaominina Bemasoandro sy tetsy Itaosy iray manontolo ny fandraisana an’ireo mpilalao telo mirahalahy, i Manda, Fenohasina […]
Fanarenana ny lalam-pirenena faharoa : “Tsy maintsy tonga any an-dRenivohitra ireo milina goavan’ny Jirama”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy
Nitsidika ny lalam-pirenena faharoa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nijery ny fizotran’ ny asa fanamboarana ny lalana sy nanome toromarika an’ireo orinasa miandraikitra ity tetikasa ity izy tamin’ izany. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy ny lalam-pirenena faharoa, manoloana ny asa fanarenana ataon’ireo orinasa nahazo ny tolobidy, ny minisitry […]
Ravina raketa : Avadika ho hoditra sy ahazoana sakafo
Mitondra tombontsoa maro ho an’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Nosy ny fanodinana ny vokatra raketa. Ahavitana hoditra sy ahazoana sakafo maro samihafa izany. Manomboka mikaroka zava-baovao amin’ny alalan’ny akora misy eto Madagasikara ny tanora malagasy. Anisan’ny mahavita mamadika ny raketa ho lasa hoditra, na Cuire végétale, i Betina Bruno, […]
Rakotoarison Fiorenana Fitia : Mpilalao efa nandrafitra ny Barea U20, nisafidy ny hanao mofo mamy
Tanora iray manan-talenta amin’ny baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia na i Eto’o. Efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea zandriny, U17 sy U20, ny tenany, tany aloha, ary izao nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy izao. Anisan’ireo mpilalao nanana ny hoaviny amin’ny resaka baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia, saingy […]




