Anisan’ny fanamby napetraky ny ben’ny Tanàna voafidy ao amin’ny tanànan’i Toamasina ny hitondra fanovana goavana any an-toerana ao anatin’ny dimy taona manaraka. Fantatra ireo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana notanterahin’izy ireo, ny herinandro lasa teo. Niatrika filankevitra kaominaly tsy ara-potoana fanindroany ireo mpanolotsain’ny Tanàna miisa 19 mianadahy avy amin’ny vovonana Irmar, […]
Songadina
Ongobe na filariose: Aretina azo avy amin’ny kankana sy ny kaikitry ny moka
Tafiditra ao anatin’ny aretina tsy raharahian’ny ankamaroan’ny olona ny aretina antsoina hoe: Ongobe na filariose. Azo avy amin’ ny kankana sy mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka izy io, amin’ny ankapobeny. Aretina mbola fahita sy mitoetra amin’ny ankamaroan’ny tany andalam-pandrosoana ny aretina tsinontsinoavina. Misy sokajy maro izy ireo. Eo ny […]
Raboanaritompo Jessica Soary : Manana tanjona hitarika ny vehivavy hitia fanatanjahantena
Nanaovana fanadihadiana mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina ilay mpikatroka karate, Jessica Soary. Manana fanamby goavana ny tenany ary hiezaka hatrany izy hanatratra izany. Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo […]
“Volana Ramadany”: Fotoana natokana hanampiana ny hafa sy hifadian-kanina
Ao anatin’ny volan’ny Ramadany tanteraka ny mpino silamo amin’ izao fotoana izao. Manan-danja lehibe amin’izy ireo io fotoana io satria ahafahana mifehy ny vatana sy hanomezana lanja bebe kokoa ny ara-panahy. Mandritra izany, maro ny mpino silamo no manao hetsika fanampiana ho an’ny mpiara-belona aminy. Indray mandeha isan-taona ny fanaovana […]
Rotsakorana sy rivodoza: Mihena 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra
Nahitana fihenany ny isan’ny mpandeha sy ny fiara mihazo ny faritra tao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana sy ny fandalovan’ny rivodoza teto amin’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. Nihena hatramin’ny 50% eo ny tahan’ny mpandeha. Mihena hatramin’ny 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra nanomboka ny volana febroary […]