Songadina

Cua – Asa sosialy : ankizy 318 tsy manan-kialofana nizarana sakafo mafana

Nizarana sakafo mafana ireo ankizy 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivontoerana Madcap Isotry sy Seba Antohomadinika, omaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin Antananarivo Renivohitra sy ny minisite­ran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala, nahafahana nanao ny hetsika. Tanjona ny hanampiana sy hikarakarana ireo ankizy tsy manan-kialofana ireo, raha […]

Filoha Rajoelina Andry tany Sambava : « Harovantsika ny tantsaha mpamokatra lavanila »

Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fije­rena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony. Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Prai­minisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: ankizin’ny lalana 360 haverina amin’ny fianakaviany

Nankalazaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Fa­nentanana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizin’ny lalana no tanjon’ny hetsika. Mba hisitrahan’izy ireo zo mitovy amin’ny rehetra. Ezaka tsy maintsy hatao alohan’ny faran’ny taona ny hamerenana ankizin’ny lalana maherin’ny 360 […]

Fanafihana mitam-basy: jiolahy efatra voatifitra, adjidàn’ny Tafika ny iray

Maty voatifitra ny miaramila iray, voalaza fa mpamatsy basy sy ny jiolahy telo saika hanafika mpandraharaha, omaly. Tratran’ny polisy mpitsongo-dia izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Maty voatifitry ny polisy ny Adjidà am-perinasa iray, miasa amin’ny vondron-tafiky ny Tafondro mavesatra na ny R3A, eny Ambalamanasa, Toamasina, omaly. Voalaza fa mpiray tendro […]

Tao anatin’ny telo volana : nahery vaika ny fifandonana, 12 ireo jiolahy lavo tao Toamasina

Tsy ankitsitsy! 12 sahady ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha mafana toy ny fanafihana tao Toamasina, tao anatin’ny telo volana. Tao Toamasina renivohitra avokoa ny 11 tamin’ireo olon-dratsy maty ireo. Lavo tany Mahanoro ny roa hafa. Naha­trarana basy poleta 2 niaraka tamin’izy ireo. Ho an’ireo olona voatery nosamborina, tafakatra […]