Voalazan’ny tatitry ny fitsarana, anatin’ny fari-piadidiam-pitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, manana rantsamangaikam-pitsarana ambaratonga voalohany enina (Toamasina, Vatomandry, Ambatondrazaka, Moramanga, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana), samy anatin’ny faritan’i Toamasina, fa tsy misy afa- tsy 793 ny antontan-taratasin’ady momba ny ady heloka bevava voatsara, ny faran’ny taona 2021. Mitotaly 2 661 ny antontan-taratasin’ady notsaraina ny taona […]
Songadina
20 andro vao navotsotra : nosandaina 70 tapitrisa Ar izy telo mianadahy
Nilaza ho nandoa 70 tapitrisa Ariary ny fianakaviana! Avotra soa aman-tsara, izy telo mianadahy takalonaina tao Morarano Chrome, Andilamena, 20 andro taty aoriana. Votsotra teny am-pelatan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo telo mianadahy nalaina an-keriny tao Ambohimanarivo-Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola. Hita omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany anelakela-tendrombohitra tao Maizinandro, […]
Sambo rendrika : razana 11 natsingevan’ny rano, tafakatra 32 ireo maty
Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha momba ilay sambo rendrika saika hitondra olona antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayotte. Omaly, niampy 11 ny nofo mangatsiaka hitan’ny mpitandro filaminana, tany akaikin’ny Nosy Faly. Vehivavy ny dimy tamin’ireo maty, lehilahy ny efatra raha toa ka zaza kosa ny roa. Ankehitriny, mitotaly 32 […]
Mahery vaika ny jiolahy : olon-tsotra 32 maty voatifitra
Leo amin’ny afitsoky ny jiolahy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Toamasina. Tafakatra 32 ny namoy ny ainy tanatin’ny telo taona. Vokany, mandrahona ny hampikatso ny famatsiana vary ireto farany. 32 ny olon-tsotra sy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy, tao Toamasina tamin’ny taona 2021 hatramin’ny 4 marsa lasa teo, araka ny […]
Filoha Rajoelina Andry mivady : ankizy 7200 nahazo fanomezana tany Atsimo Andrefana
Niverina tao Toliara indray, omaly, ny filoha Rajoelina Andry mivady ary nizara kilalao sy kojakoja samihafa ho an’ny ankizy 2 hatramin’ny 14 taona, miisa 7 200. Tafiditra amin’ny tetikasa, iarahana amin’ny “Samaritan’s Pruse”, any Etazonia izy io ary mandray izany eto ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Fanomezana avy amin’ny […]