Toe-karena

Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy […]

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. […]

Fandaharanasa Afafi Centre : Nitombo 138% ny vokatra

Nahomby ny fanohanan’ny tetikasa Afafi Centre seha-pamokarana maro mahakasika faritra telo. Eo am-pandinihana ny andiany faharoa ankehitriny. Nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2025 ny tetikasa Afafi Centre. Mitentina 12 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina, tamin’ny alalan’ny Fed andiany faha-11. Manatanteraka azy ny Birao tantsoroka ho an’ny fiaraha-miasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Miteraka hatezerana eny anivon’ny fiarahamonina ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny isan’andro. Miteraka fitokonana ny delestazy sy ny fahatapahan-drano, ao ireo mandoro kodiarana sy manakan-dalana. Mitaraina amin’ny hafitsoky ny tolotra ataon’ny Jirama ny mpanjifa, ny faktiora aloa isam-bolana nefa tsy misy zava-banona. Nilona tao anatin’ny teknolojia amin’ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina artifisialy […]

Base Toliara : Hampandroso ny ao Atsimo Andrefana

Mandray anjara feno amin’ ny Foara iraisam-pirenena indostrialy FIM ny orinasa Base Toliara. Tsotra ny tan­jony, hampahafantatra bebe kokoa ny lanjan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, mitondra fampandrosoana ny eny ifotony sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Nilaza ny talen’ny fifandraisana amin’ ny any ivelany ao amin’ny Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa […]