Hapetraka ny mangarahara eo amin’ireo mpisehatra letisia mba hiarovana ny tombontsoan’ny daholobe sy hiantohana ny fitohizan’ny tsena eoropeanina. Fanatsarana ny kalitao, ny fifaninanana ary ny fitantanana ny seha-pihariana letisia malagasy. Ireo no tanjona nandritra ny dinika nataon’ny delegasionina malagasy tamin’ireo orinasa mpanafatra letisia any Eoropa, tany Parisy-Frantsa. Nampahafantarina tamin’izay koa […]
Toe-karena
Paositra malagasy: mampifandray an’izao tontolo izao
Mivoatra manaraka ny toetrandro ny paositra malagasy. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny paositra, tetsy Analakely, omaly. Manana anjara toerana lehibe sy mampifandray olona, fianakaviana sy fiarahamonina ary firenena izy. Maro samihafa ny tolotra ataon’ity tambajotra izay mankalaza ny faha-32 taonany ity, noho izy manamora ny […]
SIAL Paris 2026: orinasa malagasy 10 hitrandraka ny tsena iraisam-pirenena
Fotoana iray ahafahan’ny Malagasy mpandraharaha mampahafantatra ny kalitao sy ny mampiavaka ny vokatra eto amintsika ny « Salon international de l’Alimentation » (Sial) 2026. Hanamafy ihany koa ny «made in Madagascar» eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. «Fanoitra iray hampiroboroboana ny toekarena malagasy ny Sial, noho izy mampivondrona orinasa maro maneran-tany sy ahafahana […]
Dr Rajaonson Hugues: antoky ny fampandrosoana ny agro-indostria
Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr Rajaonson Hugues. Aminy, mitaky fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny fanodinana ny vokatra amin’ny alalan’ny agro-indostria. Nahavita fikarohana lalina ny Dr Rajaonson Hugues, mpampianatra mpikaroka, manam-pahaizana manokana amin’ny toekarena ara-tontolo iainana. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena ary manohy mandroso vahaolana hatrany. Mifantoka amin’ny tombana ny […]
Raharaham-panjakana: hirosoana ny teknolojia niomerika
Natao ny 7 sy 8 oktobra teo, teto Antananarivo, ny fivoriana mahakasika ireo Antokondraharaham-panjakana, orinasam-panjakana na tranombaro-panjakana. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola izy ireny. Nampahafantarin’ny talen’ny Fitantanana ny fiahiana ny Antokondraharaham-panjakana (DTEP), Ramatoa Rahasimbololomboahangy Ny Ako, ny mpivory ny momba azy sy ny rantsamangaika ao aminy. Miisa […]





