Toe-karena

fanenana ny entona karbona : nahazo 8,8 tapitrisa dolara i Madagasikara

Mitentina 8,8 tapitrisa dolara ny vola azon’i Mada­gasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena entina hanenana ny entona karibona. 1,76 tapitrisa taonina ny entona ratsy, nandritra ny taona 2020. Firenena fahatelo aty Afrika nandoavan’ny Banky iraisam-pirenena vola ho fampihenana ny entona vokatry ny fahasimban’ny ala ny firenena malagasy, ilay antsoina hoe REDD+. […]

“Cop 28”- Dubaï : Andro manokana ho an’i Madagasikara

Natokana ho andron’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, na “Wash Day”, omaly 5 desambra, tany Dubaï tao amin’ny tranoheva manokana, Pavillon Madagasikara. Mandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, “Cop 28” no nanaovana izany, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo. […]

Fasankarana-Anosizato: hamboarina ny lalana mirefy 3,2 km

Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny eny amin’ny Fasankarana, mivoaka any Anosizato. Hamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fanarenana azy tanteraka. Nanomboka omaly, ny fanarenana ny lalana eny Ankadimbahoaka, Fasankarana, Anosizato. Haharitra enina herinandro ny asa, ka hifarana amin’ny 19 desambra ny dingana voalohany, fa hiverina hitohy indray manomboka ny 5 […]

Sampana mpamonjy voina : nankalaza ny fetin’i Masimbavy Barbe

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny tobin’ny vondron’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, ny fetin’i Masimbavy Barbe. Olomasina mpiahy sy mpiaro azy ireo amin’ny asan’ny vondrona izay mpikirakira afo i Masim­bavy Barbe . Niaraka nankalaza izany avokoa ireo mpamonjy voina rehetra teto Anta­nanarivo Renivohitra. Tari­getran’ny vondrona : « ny Fitsipika, ny zotom-po, ny fandavantena ». Tonga nanome […]

Famokarana: mpamboly 855 nisitraka masomboly

Mitohy hatrany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpamboly maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy no nisitraka masomboly entina hampiroboroboana ny seha-pihariany, ny herinandro teo. Tan­tsaha 165 avy ao amin’ny faritra Sofia no nomena masomboly vary an-drano milanja 1 980 kg sy zezika NPK […]