Natao tao amin’ny Orange Digital Center Fianarantsoa, omaly, ny hetsika “Masterclass”. Ho tohin’ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny 12 sy 13 aogositra izany. Hetsika nahasarika tanora maherin’ny 5 000. Tanjona ny hanome tantsoroka sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahany mamadika ny hevitra ananany ho lasa tetikasa. […]
Toe-karena
Port Sec III : Manomboka ny fananganana ny tetikasa
Nanomboka ny alakamisy teo, tao Antanandava-Toamasina ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Port Sec III. Nitsirika ny toerana hanaovana ny tetikasa ny orinasa Colas, hanao ny asa, sady nijery sahady ny paikady hametrahana ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina” (PMLP-T). Tanjona ny hananana seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. […]
MASACHAM : Hanandratra ny fifanakalozana i Madagasikara sy i Afrika Atsimo
Soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny malagasy mpandraharaha sy Afrika Atsimo ny Tranoben’ny varotra Madagasikara-Afrika Atsimo (Masacham). Vina iraisana ny hampiroboroboana ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Tetezana hampifandray ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy Afrika Atsimo ny Masacham. Tanjona ny […]
Vary afarana: Miato ny fampiharana haban-tseranana sy hetra
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny vary afarana avy any ivelany. Tanjona ny hiantohana ny fahampian’ny vary eny an-tsena, indrindra mialoha ny hidirana amin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra. “Tsy mbola ampy hamaliana ny filan’ny mpanjifa ny voka-bary misy eto an-toerana […]
« IN-CO 2026 » : Omen-danja ny fanodinana ny harena eto an-toerana
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny varotra. Manamafy izany ny Salon de l’industrie et du commerce “IN-CO 2026” izay manasongadina ny fampiroboroboana ny fanodinana ireo harena eto an-toerana. Eo koa ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa. Nisokatra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka omaly […]




