Toe-karena

Famatsiana solika: Miantsona eo amin’ny PTP ny sambo TORM EVA

Tapaka taorian’ny dinika nataon’ny Ofisy malagasy mi­sahana ny Akoranafo (OMH), ny Galana Raffinerie Terminal (GRT) ary ny Plateforme Terminal Pétrolier (PTP) fa hiditra amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sambo lehibe Torm Eva, mpitatitra soliky ny Groupement Pétrolier Mada­gas­car (GPM). Fepetra noraisina sy nihatra avy hatrany ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. […]

Tanà Medium Ring 90 kV : Hanohana ny famokarana herinaratry ny RIA

Hanohana sy hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tetikasa Tanà Medium Ring 90 kV. Miisa 8 ny tobim-pamokarana herinaratra hatsangana eto Antananarivo sy ny manodidina. Notanterahina ny zoma teo, ny tombana mialoha ny fanatanterahana ny « Tanà Medium Ring ». Fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo manampahaizana teratany sinoa, tomponandraikitra malagasy […]

VAOVAO TAMBATRA

Miatrika fanamby ara-toekarena i Mada­gasi­kara amin’ity taona ity. Hiakatra ny vidim-piainana, hihena ny fitomboana ara-toekarena. Nidina ho 3,8% ny vinavinan’ny fitomboana, raha 8,3% kosa ny fidangan’ny vidim-piainana. Miakatra ny vidin-tsakafo, solika, fitaterana ary angovo, ka mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny […]

Fanajana ny lalàn’ny jono : Horita 9 996,8 kilao azo tao Velondriake

Efa ho 10 taonina, ny horita azo tao anatin’ny iray andro nandritra ny fanokafana ny fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Velondriake, any Atsimo andrefan’i Madagasi­kara. Antony nahazoana ny vokatra ny fanajana ny fanakatonana vonjimaika ny toe­rana fanjonoana. Nandritra izany, afaka nitombo sy niteraka ny horita, ka nahafahana […]

CMR Tunisie : Hanohana ny fanarenana ny Secren

Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny “Société d’étude, de Construction et de Répartition Navale” (Secren), Félicien Milson, ny tale jeneralin’ny “Compagnie Méditerranéenne de la Répartition” (CMR) Tunisie, Claude Miguet, mba hifampi­dinika momba ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hanatsarana ny asan’ny orinasa sy hamerina indray ny fahafahany miasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao […]