Mivoatra hatrany ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin’ny Orange Madagascar. Tolotra vaovao miisa telo indray no omen’ny orinasa nanomboka ny 1 oktobra teo hanohanana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Anisan’ireo sokajy ireo ny tolotra «Allo», ny «Akama +» ary ny «Mix Kopoze». Foana tanteraka ny fisokajiana ny internet amin’ny alina […]
Toe-karena
Zotra an-dalamby: famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny AIIB
Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondrona Banky aziatika (AIIB). Hojerena manokana ny hanarenana ny zotra an-dalamby sy ny angovo madio. Nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Fikambanan’ny Banky aziatika ho an’ny fampiasam-bola sy ny fotodrafitrasa (AIIB), Ramatoa Zou Jiayi, ny delegasiona malagasy notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr […]
VAOVAO TAMBATRA
Mbola misy ireo minia mitrandraka volamena any Betsiboka. Tsikaritry ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, izay nidina ifotony, fa misy ireo manana fahazoan-dalana ara-dalàna, saingy tsy mahafeno fepetra. Satria, tsy manao tetikasa ara-tsosialy (RSE), tsy mandoa tamberim-bidy sy haba (DTSPM) ary tsy manana bokibe fanambarana ny vokatra azo. Natsahatra […]
Fanafaram-bary : Hametraka fiarovana ny famokarana ny ANMCC
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra na “Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC) momba ny fiakaran’ny fanafarana vary eto Madagasikara. Tanjona ny hamantatra ny fiantraikan’izany amin’ny sehatry ny famokarana, ny tsena, ary ny famatsiana eto an-toerana. Ny taona 2025, nahatratra 800 812 taonina (t) […]
Fiompiana : Hirosoana ny drafi-panatanterahana
Natao ny zoma 2 oktobra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa miompana amin’ny fiompiana. Nentina nanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka maharitra momba ny fanodinam-bokatry ny fiompiana sy ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara izany. Nambaran’ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisitera, Ralaisabotsy Jary Antonio, fa natao ity fotoana ity ifanakalozan-kevitra teo amin’ny minisitera sy ireo […]





