Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 22 tapitrisa Ar ireo entana lany daty nodorana tao Bekitrobaka-Antsohihy. Nahitana paty milanja 2 taonina, bisky, fromazy, ranom-boankazo, vatomamy sy maro samihafa izany. Nopotehina ihany koa ireo rano fisotro lany daty tamina tavoahangy miisa 4 016 tao Nosy Be. “Silicones” sy loko lany daty tamina mpivarotra tetsy Ambohipo no […]

LTP Ampasapito : Hamafisina ny fahaiza-manao niomerika

Tsy afa-misaraka ny fa­nabeazana sy ny teknolojia niomerika. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Fampirobo­roboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) nanolotra fampitaovana informatika ho an’ny Lycée Tek­ni­ka (LTP) etsy Ampasapito. Anisan’izany ny solosaina miisa 10. Tetikasa hano­hanana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy hanamafisana ny fampiasana ny teknolojia niomerika […]

Belo Tsiribihina: Angovo avy amin’ny masoandro 1 750 kW

Manomboka ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro any Belo Tsiribihina. Fiaraha-miasa iarahana amin’ny orinasa Lemi, amin’ny alalan’ny tetikasa Decim, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Hanana tanjaka 1 750 kWc sy bateria mitahiry angovo 5 000 kWh ity fotodrafitrasa ity. Hatsangana amin’ny velaran-tany 1,6 ha. Tafiditra ao anatin’ny […]

Enim-bolana 2026 : Tafakatra 4,2% ny fitomboan-karena

Mizotra araka ny tokony ho izy ny lafiny toekarena ankapobeny. Hirosoana koa ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny fitantanana ny volam-panjakana mba hisian’ny mangarahara. Anisan’ny nitondran’ny Praiminisitra, Rajao­narison Mamitiana, fa­nazavana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alahady teo, ny mahakasika ny toekarena eto amintsika. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy […]