Toe-karena

Vak’ranty : Tetezana ho amin’ny tsena iraisam-pirenena

Hampiroborobo ny vokatra eto an-toerana, mitady tsena vaovao, hampitombo ny vokatra aondrana ary manararaotra ireo tombontsoa eo amin’ ny tsena afrikanina sy iraisam-pirenena. Ireo no tanjona napetraka nandritra ny Foire économique Vak’ranty natao ny 13 ka hatramin’ny 16 aogisitra teo, tao Antsirabe. Nan­dritra ny roa andro, nifanakalo hevitra tamin’ireo mpisehatra […]

filan’ny tantsaha : Manohana ny minisitera

Miroso amin’ny fanamafisana ny vokatra sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Laharam-pahamehana ny fampiakarana ny vidim-bokatra, ny fanomezan-danja ny vokatra eto an-toerana ary ny fanokafana lalam-barotra. Nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha tanora mpitarika avy amin’ny faritra 12 ny minisitera, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ny Formagri, vovonam-pikambanana […]

Angovo azo avy amin’ny rivotra : Am-perinasa ireo turbines 19 ao amin’ny Faritra Anosy

Niasa nanomboka ny volana jolay teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rivotra voalohany eto Madagasikara. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny QMM sy ny Cross Boundary Energy (CBE). Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo madio ny tetikasa. Manamafy ihany koa ny vina apetraky ny QMM amin’ny fitrandrahana lovain-jafy. Ankehitriny, am-perinasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 Jirama ao Ambohimanambola. Maloka ihany koa ny andro ka tsy feno ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokany mihena hatrany amin’ny 20 MW ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambazotra […]

Ampitambe Moramanga : Mponina 2 730 misitraka rano fisotro madio

Avy ao amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Amba­nivohitra Ambohibary, Distri­kan’i Moramanga ireo mponina nahazo tombontsoa, taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa fa­matsian-drano avy amin’ny toerana avo (AEPG) novatsian’ Am­batovy vola. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra tany an-toerana ny fotodrafitrasa vaovao. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny ezaka ataon’Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina […]