Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, rahampitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Volavolaina ny didim-panjakana mifehy ny vidin’ny herinaratra, ho an’ny mpisehatra amin’ny herinaratra. Mandray anjara amin’izany ny teknisian’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny ORE, ny Jirama ary ny Ader. Manohana ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny kabinetra matihanina. Miisa 22 ny mpanjono any Farafangana miofana mikasika ny Rafitra amin’ny loza […]
Hanamafy ny fahaiza-manaony : Malagasy 14 hianatra sy hiasa any Japon
Hanainga, anio, ny ampahany amin’ireo Malagasy 14 mianadahy nisitraka vatsim-pianarana any Japon, raha amin’ny herinandro ho avy kosa ny ampahany manaraka no hiala eto an-tanindrazana. Ny dimy amin’izy ireo no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana, ny Kolontsaina, ny Fanatanjanhantena, ny Siansa ary ny Teknolojia japoney ka ny efatra hianatra […]
Andriamparany Carl : hampandroso an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany
Nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Oniversite Toliara, ny 22 aogositra teo, mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Nandray anjara tamin’izany ny tonia mpanatanteraka ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Nohazavain’Andriamparany Carl, manoloana ny mpianatry oniversite, fa manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, izay afaka mitondra fampandrosoana ara-toekarena. Hampihena ny fahazotoan’ny mpampiasa vola […]
Fampandrosoana: tombanana hiakatra 4,5% ny harinkarena faobe
Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser […]