Fotoana iray anisan’ny ahafahan’ny samy mpandraharaha mihaona mivantana ny Foara iraisam-pirenena (Fim) atao ny 22-25 mey, eny amin’ny CCI Ivato. Sambany mandray anjara ny banky Sipem Madagasikara. Nohazavain’ny tale jeneraly lefitra (DGA), Randriatsimialona Lanja, fa « fotoan-dehibe hikarohana mpiara-miombon’antoka ny foara toy ny Fim. Mandray anjara amin’ny Fim izahay, satria […]
Toe-karena
“FIM 2025”: Kihon-dalana stratejika ho an’ny fampandrosoana ny toekarena
Hisarika ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha afrikanina ho tonga eto amintsika ary hampiroborobo ny fandraharahana ireo fanamby apetraky ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM) 2025. Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha manerana ny Nosy ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM) andiany faha-19, atao eny amin’ny CCI Ivato. Efatr’andro hifanakalozan’ireo mpandraharaha sy hifampizarany ary hampahafantarany […]
VAOVAO TAMBATRA
Nihatsara ny fanondranana nikela sy kobalta nataon’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Lasa 3,7% sy 27,6% izany noho ny fiakaran’ny vokatra 9,4% sy 60,2%. Na izany aza, mbola ambany, izany hoe, 5,2% sy 20,4% ny vidiny noho ny fitobahan’ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mitotaly 3 008,5 tapitrisa dolara […]
“Aéro-Expo 2025”: Fampahafantarana ny sidina ana habakabaka
Hatao ny 31 mey sy ny 1 jona ho avy izao ny “Aéro-Expo 2025” eny amin’ny tobin’ny Tafika ana habakabaka sampana helikopitera Ivato. Hetsika karakarain’ny Tafika ana habakabaka, ka mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Yas Madagasikara. Tanjona ny hampahafantarana ny tontolon’ny sidina ana habakabaka. Ao anatin’izany ny asa sy ny […]
Fifanakalozana ara-barotra-Zlecaf : Omena vahana ny orinasa tsy miankina
Hampitomboina ny fandraisan’ny orinasa tsy miankina anjara ao anatin’ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hapetraka ny paikady hampiroboroboana ny fifanakalozana enti-manatanteraka izany. Ankehitriny, manomana ny fidiran’i Madagasikara amin’ny maha firenena faha-49 ao amin’ny tsenan’ny Zlecaf ny fitondram-panjakana. Dingana ho an’ny fankatoavana sy hampahafantarana ny fizotry ny fifanakalozana ary […]