Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mitetina 150 tapitrisa dolara ny fandaharanasa Kaoatry 2026-2028. Tetibola hiompana amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny kalitaon’ny kafe malagasy ary ny fanamafisana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 45 000 ha ny velaran-tany voakasiky ny fandaharanasa, ary tantsaha miisa 70 000 hatramin’ny 90 000 no hisitraka izany. Hifantoka amin’ireo faritra […]

Fanarenana ny RN5: Hamatsy vola 35 tapitrisa dolara ny Badea

Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalana mampitohy an’i Vahibe sy Mananara Avaratra. Hanohana an’i Madaga­sikara, amin’izany, ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea). Tonga eto Madagasi­kara ny delegasionan’ity banky ity, ka nidinika tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Dr Rafefimanana […]

FAD-17 : 500 000 dolara ny fandraisana anjaran’i Madagasikara

Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny Tahirim-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad) i Madagasikara. Mitentina 500 000 dolara ny anjaran’ny firenena malagasy ao anatin’ity rafitra andiany faha-17 ity. Anisan’ireo sehatra ma­nohana an’i Madagasi­kara ny Fad. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra hatrany amin’ny 237,37 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika, izany hoe, efa ho 475 heny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mananosarotra ny fandrindrana ny fitantanam-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano amin’izao fotoana. Hiditra tsy ho ela ny mpianatra, miakatra manaraka izay ihany koa ny vidin’ny fitaovam-pianarana sy ny saram-pisoratana anarana. Ankilany, manomboka miakatra ihany koa ny vidim-bary eny an-tsena. Nandray delegasionina roa ny Fivmpama ny zoma teo. Anisan’izany ny delegasionina avy amin’ny FAO, […]