Tolotra vaovao omen’ny MVola ny mpanjifa ny fividianan-javatra tsy misy sarany amin’ny MVola. Hafohezina koa ny fotoana hikarakarana ny mpanjifa manana olana. Voatendry ho tale jeneraly (CEO) vaovao ny MVola i Alexandre Castel. Maromaro ny zava-baovao omen’ny orinasa tarihiny, hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Tsy andoavana sarany intsony ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hividy Boeing 737-700 ho an’ny Madagascar Airlines ny fanjakana, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny talata teo. Hanamafy ny fahafahan’ny kaompania manatanteraka fitaterana ana habakaba anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tetikasa. Ity farany izay tafiditra anatin’ny fanarenana ny orinasa. Marihina fa miisa dimy ny ATR […]
Tranga El Nino – rivodoza : Mety tsy hisy hahakasika an’i Madagasikara
Nivoaka ny tatitra ofisialy mahakasika ny vinavina ny famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara ho an’ny vanim-potoana 2026-2027. Miseho eto Madagasikara ny tranga voajanahary El Nino, miseho isaky ny roa hatramin’ ny fito taon aizy io. Miha mafana ny ranomasimbe Pasifika ka hampikorontana ny toetr’andro maneran-tany. Araka ny vinavinan’ny sampandraharahan’ny famantarana […]
Fiompiana: Dinika hanavaozana ny famatsiam-bola
Nodinihina manokana ny paikady hanavaozana ny famatsiam-bola miompana amin’ny sehatry ny fiompiana, ny 1 oktobra teo, teto Antananarivo. Tanjona ny hanafainganana ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny fiompiana eto Madagasikara. Lohahevitra napetraka ny hoe: « Fiompiana maoderina, fidiram-bola maharitra ho an’ny mpiompy, loharanon-karena ho an’ny firenena ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fiompiana, tohanan’ny rafitra […]
Tsena eoropeanina : Miomana amin’ny fepetra takina ny PME sy PMI
Nitombo ny vokatra malagasy miditra eo amin’ny tsena eoropeanina. Tombony ho an’i Madagasikara ny tsy fandoavan-ketra, tsy voafetra ihany koa ny vokatra miditra any an-toerana. Natao ny alarobia teo, teto Antananarivo, ny atrikasa momba ny Fifanarahana ara-toekarena “Accord de partenariat économique ” (APE), hanomanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI) […]





