Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI), fa « fanamby ny hahatongavan’i Madagasikara ho sompitry ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina afaka taona vitsy». […]
Toe-karena
Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina : Vonona ny hifanampy ny firenena mpikambana
Nifarana tao anatin’ny firahalahiana ny fihaonambe fahadimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny mpikambana. Nizotra tamim-pilaminana, vita hatramin’ny farany ny fihaonambe an-tampony teo amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka nandritra ny dinika fa hamafisina ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra indrindra. Toraka izany ny fiaraha-miasa amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hibahana ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI) androany ny « espace commun agricole » iraisan’ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ao ihany koa ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hivoitra ao anatin’izany ireo vahaolana hanatsarana ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana aty amin’ny faritra sy eto Madagasikara. […]
« Spring meetings »2025: Tafapetraka ny drafitrasa fitantanana
Natolotra omaly nandritra ny fivorian’ny « Spring meetings » any Washington ny « Plan stratégique du bureau de l’administrateur ». Drafitrasa azo vokatry ny firaisankinan’ireo firenena afrikanina ka nahafahana nanomboka ny tetikasa « Mission 300 ». Ity farany dia entina hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina aty Afrika sy ny politka hanatanterahana izany. Voaresaka nandritra […]
GEM-MEDEF International : Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika
Hamafisina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa malagasy sy frantsay ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Hapetraka ny tondrozotra handrindrana ny asam-pampandrosoana ny toekarena. Tafapetraka omaly ny tondrozotra hanatanterahana ireo asa hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto Madagasikara. Nanolotra izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny « minisitre des Outre-mer » […]