Manohana sy miaro ny famokarana eto Madagasikara ny fanjakana. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny talata teo, ny volavolan-dalàna momba ny fepetra fanitsiana ara-barotra sy ny Tahirim-bola ho fanohanana ny fampandrosoana sy fanadiovana ny sehatry ny varotra (Fadac). Mivoitra ao anatin’ity volavolan-dalàna misy andininy 107 ireo rafitra ara-dalàna mifanaraka amin’ireo lalàna […]
Toe-karena
Antenimerampirenena: Fampitaovana ny niomerika
“Tablettes” miisa 169, solosaina 20 ary “Kit Starlink”, ireo no natolotry ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) ho an’ny Antenimierampirenena, ny alarobia teo. Fampitaovana niomerika hanohanana ny asan’ity andrimpanjakana ity, hanamafisana ihany koa ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Tanjona ny hampihena ny fampiasana […]
FEC-FRD : Famatsiam-bola 155 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI
Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, ny 30 septambra teo, ny famatsiam-bola mitentina 155 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara. Ao anatin’ny fifanarahana amin’ny Fec sy ny FRD io vola io, hampiasaina amin’ny sehatra marolafy. Voakasik’ity famatsiam-bola ity ireo fandaharanasa andiany fahatelo sy fahefatra amin’ny Fampindramam-bola nohamoraina sy nitarina (Fec) sy ny Fanamorana […]
Orange Digital Center : Tanora 3 019 nahazo fiofanana
Mahatratra 3 019 ireo tanora nisitraka fiofanana maimaimpoana tao amin’ny Orange Digital Center Madagascar hatramin’ny fiandohan’ny taona. Anisan’ireo faritra nanaovana izany ny teto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana izay nifantoka tamin’ny fahaiza-manao niomerika, ny sehatrasa ary ny fandraharahana. Ny tontolon’ny niomerika toy ny fanaovana tranonkala, fanadihadiana angondrakitra, faharanitan-tsaina artifisialy (IA), « marketing […]
SPAT-SMATP : Fotodrafitrasa hikarakarana ny entana
Natao sonia omaly 30 septambra, ny fifanarahana eo amin’ny Orinasa sinoa-malagasy momba ny asa vaventy (SMATP) sy ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Ao anatin’ny tetikasa Vovonana maromaro mahakasika fanorenana sy ny seranan-tsambo any Tsarakofafa Toamasina izy io. Nohazavain’ny tale jeneraly ny Spat, Randriambahoaka Heritiana Anicet, fa ny orinasa […]





