Feno lavaka sy lozoka ny manamorona ny lalam-pirenena RN1 any Tsiroanomandidy. Izany dia vokatry ny fitrandrahana volamena ataon’ny olona, indrindra any amin’ny mihazo ny fokontany Ambohibary Kofay any Fihaonana Tsiroanomandidy. Avy any amin’ ny fokontany Ankaditapaka sy Ambohibary Kofay ireo olona ireo. Nidina tany an-toerana nandamina ireo mpitrandraka ny inspektera […]
Toe-karena
Teknika « In Vitro » : Velaran-tany 100 000 ha hambolena kafe
Nihena ho 15 000 hatramin’ny 20 000 taonina sisa ny vokatra kafe eto Madagasikara, raha nahatratra 80 000 taonina izany tany amin’ny taona 90, izay anisan’ny nanondrana tany ivelany isika. Manoloana izany, misy ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana momba ny masomboly, ny Fofifa sy ny SOC, amin’ ny ivontoerana, ny Robens Group, […]
Toekarena manga : Havaozina ny lalàna mifehy ny jono
Mifandinika momba ny hanavaozana ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona ny hampifanaraka ny lalàna amin’ny zava-misy sy ny filan’ny sehatra ankehitriny. Anisan’ny tanjona lehibe ny hanatsarana ny fitantanana ny harena anaty rano, hanamafisana ny fahitsiana sy ny mangarahara […]
Andavanandro : Hiakatra ny vidim-piainana afaka volana vitsy
Ahina hiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny ady ao Moyen-Orient. Mivoitra amin’ny vinavina nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izany. Mety hahatratra 10,1% ny tahan’ny fidangan’ ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ny volana desambra 2026 raha 9,3% ny vinavina napetraka tany am-piandohana, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky […]
VAOVAO TAMBATRA
Manatanteraka fakan-kevitra momba ny ho avin’ny vola taratasy sy ny vola madinika eto Madagasikara ny Banky Foibe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny faha-100 taona nanontana sy namoahana voalohany ny vola taratasy malagasy. Sehatra iray nihainoana sy hifampizarana ireo ahiahy sy olana sedrain’ny olom-pirenena eo amin’ny fampiasana andavanandro ny vola taratasy sy […]




