Norombahin-dRaniaranjara Anicet Brillant, avy any Mahajanga, ny « bon d’achat » mitentina 5 000 000 Ar avy amin’ny magazay Cosmos Madagascar tamin’ny alalan’ny « Super Tombola » nokarakarain’ny Cosmos manerana ny Nosy, ny 12 jona ka hatramin’ny 7 jolay. Mpanjifa roa hafa koa no nahazo bon d’achat 3 000 000 sy 2 000 000 Ar. Natao […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hanohana ny tetikasa « hydroélectrique » aty Madagasikara i Frantsa taorian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena malagasy sy ny filoha Emmanuel Macron. Nifantohana manokana, nandritra ny fihaonana, ny sehatry ny angovo sy ny angovo azo havaozina izay hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Manana karazana granite maro loko i Madagasikara saingy voafetra ny […]
Toliara : ampy ny vary eny an-tsena
Tsy misy ahina fa ampy sy ara-kalitao ny vary ao amin’ny tsenan’i Toliara. Tonga nanao fitsirihana, omaly, teny amin’ ireo mpivarotra ambongadiny sy mpaninjara any an-toerana ireo tomponandraikitra ho fiahiana ny mpanjifa. Niara-dalana nanao ny fidinana ifotony ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) notarihin’ny Talem-paritra […]
Fifanakalozana ara-barotra : miandrandra hanohizana ny Agoa i Afrika
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny firenena aty Afrika ny hanohizana ny lalàn’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) ho an’ny 10 taona manaraka. Nandresy lahatra hanatanterahina izany ireo mpisitraka nandritra ny Forum Agoa tany Washington. Notanterahina ny 24-26 jolay, tany Washington DC ny fivoriambe (Forum) ara-barotra faha-21 […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahana mandritra ny roa andro ao amin’ ny Hôtel 2 Février any Lomé Togo ny fivoriambe voalohany ny tanora afrikanina momba ny toekarena manga. Horesahina mandritra izany ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana. Fantatra fa manana sisin-dranomasina 42 000 km i Afrika izay ahitana firenena 54. Feno […]