Toe-karena

Fampandrosoana: Manome lanja ny fiompiana ny minisitera

Hiova ny tontolon’ny fiompiana. Nankatoavina ny desambra 2025 teo ny Drafitrasan’ny sehatry ny fiompiana eto Ma­dagasikara (PDSEM). Hiroso amin’ny fanatanterahana azy amin’izay ny fitondram-panjakana, ankehitriny, izay hano­me tsirim-panantenana lehibe ho an’ny tantsaha mpiompy. Marihina fa avy amin’ny fiompiana ny 5,1 % ny harinkarena faobe (PIB), amin’izao fotoana izao, ka tsy […]

Dr Hugues Rajaonson: « Azo atao tsara ny mampitombo ny harinkarena mihoatra ny 10% »

Maika ny lafiny toekarena amin’izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Tanjona ny hanatrarana hihoatra ny 10% ny harinkarena, hivoahana amin’ny fahantrana. Nahitsy sady nazava ny fanehoan-kevitry ny Dr Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, omaly. Fe­pe­tra roa no mamintina ny ha­natrarana ny fitomboan-karena mihoatra ny 10%, izay azo tanterahina […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 901 ny karatra ho an’ny mpitrandraka volamena, madinika, tany Ranohira, ny sabotsy 21 febroary teo. Karatra ahitana famantarana QR code ireo natolotra ireo. Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika, hampidirana anaty ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika. Nisantatra izany ny any Mariana, kaominina Ranohira, izay natao fokontany filamatra. Misy ny fandaminana […]

Fiarovana ara-tsakafo: Fampivoarana ny rafi-pambolena maharitra

Natao ny 23 sy ny 24 febroary teo, teto Antanana­rivo, ny atrikasa nasionaly mahakasika ny fampisakafoana an-tsekoly, mifototra amin’ ny fividianana ny vokatra eny ifotony (HGSF). Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny minisitera ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fana­beazam-pirenena (Men), ny antokon-draharaha ara-tsakafo (ONN) ary ny FSRP. Tan­jona […]