Toe-karena

Fadintseranana malagasy : Nampidi-bola maherin’ny 3 miliara Ar

Niakatra 6% ny vola nampidirin’ny fadintserana raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Mikendry hatrany ny hanatsara ny fomba fiasany ity rafi-panjakana ity ho an’ny taona 2026. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintseranana malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 3 642,3 miliara Ar ny vola nampidiriny tao anatin’ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. […]

Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao : Nahazo fitaom-pitsaboana manara-penitra

Vaindohan-draharaha ny tobim-pitsaboana Lote­rana Ambohibao (TPLA) ny hanatsarana hatrany ny fi­tsaboana sy ny fanasitranana ny marary. Anke­hitriny, nahazo ny fitaovana vaovao “radiographie numérique et audiométrie” manara-penitra ny TPLA hanamafisana ny tolotra ata­ony. Marihina fa nandritra ny fankalazana ny faha-40 taona ny tobim-pitsaboana no efa nahazo efitrano vaovao fanaovana “échographie” ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 6 700 taonina (t) ny lohamenaka naondran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Nampidi-bola hatrany amin’ny 452, 3 miliara Ar izany sady porofo fa manomboka miverina tsikelikely ny lanjan’ny lohamenaka malagasy. Ny volana avrily no tena betsaka ny vokatra naondrana izay nahatratra 1000 t sy nisanda 60,1 […]

Ady amin’ny fahatapahan-drano: Nahazo milina miisa 14 ny Jirama

Mijanona ho sakana amin’ ny famatsian-drano isan-tokantrano ny fahatapahan’ny herinaratra, antony indrindra nahatonga ny minisitry ny Rano, ny fanadiovvana ary ny fidiovana, Dr Razafindri­ani­aina Minosoa, nanolotra ireo milina famokarana herinaratra miisa 14 ho an’ny Jirama hiantohana ny famokarana rano fisotro madio. “Manomboka amin’ny 5kVA ka hatramin’ny 500 kVa ny tanjak’ireo […]