Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hapetraka eny amin’ny PK 0 (lalambe migodana) Tsarasaotra ny toby herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanana tanjaka 50 MW ity fotodrafitrasa ity, hanampy ny vokatra herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Ho vita mialoha ny aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity. Miisa 1 500 ny zana-kazo novolen’ny mpino katolika, diosezy Fianarantsoa, […]

Fanamboaran-dalana : Hatao godirao ny mankany Ambatoboeny

Mandroso ny asa fanarenana ny lalana tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faha-33, miainga eo Andranofasika (RN4) mankany Ambato­bo­eny, hatreo amin’ny « radier », mirefy 20 km. Anisan’ny asa hatao ny fanamboaran-dalana sy ireo fotodrafitrasa toy ny fanarenana ny sisin-dalana sy ny tatatra ary ny lakandrano (dalot). Mihafara amin’ny fandrakofana godirao ny lalana […]

Fampivoarana ny fambolena : Hampitomboina 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary

Anisan’ny tohanan’ny Fiaraha-miasa amerikanina ho an’ny fampandrosoana (USAID) ny sehatry ny famobolena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny famokaram-bary. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) miaraka amin’ny USAID. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary, hoentina ma­natratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Noraisin’ny minisitra Minae, Hajarison François Sergio, […]

VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny harenina ny lalam-pirenena faha-11A, miainga eo Antsampanana (RN2) hatrany Mahanoro. Toraka izany koa, ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahanoro. Efa misy orinasa tsy miankina ihany koa manao ny fanadihadiana mahakasika ny lalana mampitohy an’i Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro ary Vatomandry. Nanamafy ireo ny minisitry ny Asa vaventy, nandritra ny fandalovany […]