«Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria (Mic) ny famokarana amin’ny fitadiavana fampiasam-bola hananganana ozinina lehibe», hoy ny minisitra vaovao, Ralambofiringa David Herizo, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindravahy Edgard, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena akaiky, hoy izy, ny vidim-piainana andavanandro ka hiara-miasa amina minisitera […]
Toe-karena
Fananganana orinasa : Ozinina 7 182 niforona tanatin’ny telo volana
Niroborobo ny fananganana orinasa tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Tafakatra hatrany amin’ny 7 182 ireo orinasa niforona. Nitombo io isa io raha oharina tamin’ny taona 2023. Mahatratra 7 182, niakatra 6,2% ny tahan’ny orinasa ara-dalàna niforona tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Antenimieran’ny varotra sy […]
Lalam-pirenena : efa vonona ny famatsiam-bola
Vita, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny minisitra vaovao, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ity farany, laharam-pahamehana ny hampihodinana ny toekarena, ka asa maika hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN7 ary RN4. « Efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola […]
ESD Nanisana : manan-danja ny lalàna sy ny siansa politika
Mivoatra ny fianarana amin’ny tontolo politika sy ny fitsarana ao amin’ny sekoly ESD Nanisana. Mifantoka amin’ny lalàna sy ny siansa politika ny fampianarana. Tsy ampy ny isan’ny olona misehatra amin’ny lalàna eto Madagasikara, raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Izany no mahatonga ny sekoly ambony momba ny Lalàna sy ny Siansa […]
Tetikasa RINDRA : faritra dimy mbola hisitraka azy
Ao anatin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Institut national de la décentralisation et du développement eocal (INDDL). Hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitalevana mahakasika ny Tetibola sy ny fitantanana fananam-panjakana, amin’izao fotoana izao, izany. Misy […]