Hampitombo ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy hanatsara ny fahaiza-manaony ary hampitombo ny fandraisan’anjaran’izy ireo ny niomerika, hiantraika ao anatin’ny harinkarena faobe. Tetikasa karakarain’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny tetikasa. Araka izany, hanofana tanora maimaimpoana hatrany amin’ny 1 300, mandritra […]
Toe-karena
Agri-business: Manana loharanon-karena matanjaka ny any Atsimo
Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny famokarana sy ny toekarena any atsimon’ny Nosy. Itodihana, ankehitriny, ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra (Agri-business) mitodika amin’ny filàn’ny tsena, mba hiteraka fampandrosoana. Natao tany Toliara, ny 21, 22 ary 23 janoary teo, ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’izany ny faritra […]
VAOVAO TAMBATRA
Laharana fahenina amin’ireo firenena azo tsidihina aty Afrika, ho an’ity taona 2026 ity, i Madagasikara, raha ny navoakan’ny Business Insider Africa. Mitana ny laharana voalohany ny Nosy Maorisy, manaraka i Botswana sy Namibia. Na izany, miavaka i Madagasikara matoa tafiditra ao anatin’ny firenena 10 voalohany amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe […]
Banky Sipem: Tohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha
Vehivavy ny 30% ny mpandraharaha eto Madagasikara. Toy izany koa ny 61% ny mpanjifan’ny banky Sipem. Noho ireo, manome lanja manokana ny vehivavy mpandraharaha ity banky ity. Anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy ny hasarotan’ny fahazoana famatsiam-bola. Nambaran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny banky Sipem, Randriatsimialona Lanja, fa “omena tolotra manokana mifanandrify […]
Fanitarana ny Agoa : Andrasana ny valin-tenin’ ny loholona amerikanina
Andrasana amin’ny faran’ny volana ny fanapahan-kevitry ny loholona amerikanina mahakasika ny fanitarana ho telo taona ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Ny herinandro teo, nanao ny adisisika sy ny ezaka rehetra handresen-dahatra ireo loholona amerikanina tany Washington ny delegasionina malagasy. «Mety hisy ny latsabato amin’ny faran’ny volana, izay mety […]




