Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hafainganina ny fanarenana ny tohodrano any Sahamaloto Amparafaravola. Manondraka velaran-tany 10 000 ha izy ity raha vita, izay tena antoky ny fambolem-bary any an-toerana. Anisan’ny vahaolana maika nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, izany, mba hitsinjovana ny tantsaha, sady hiatrehina ny taom-pambo­lena 2025-2026 izay tena ao anatiny […]

Olympia Tanjombato : Tranombarotra lehibe indrindra eto Madagasikara

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, nanomboka ny sabo­tsy teo, ny Olympia eny Tan­jom­bato. Tranombarotra ivondronan’ireo Malagasy mpandraharaha sy vahiny izay mi­dadasika amina velarana 16 800 m². Goavana sy manara-penitra tanteraka ny fotodra­fitrasa, ahitana toeram-pian­tsonan’ny fiara misy rihana dimy izay mahazaka fiara ha­trany amin’ny 240 ny Olympia. Mbola izy ihany koa no […]

Fikarohana momba ny vary : Hizara ny fahaiza-manaony ny Japoney

Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamaritra ny vidin’ny internet ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha mibahana ny tsena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Artec izany. Fanombohana ny tetikasa ny nanaovana fihenam-bidy ny tolotra izay efa nampiharin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mifototra bebe kokoa amin’ny alina. Mitentina 5 miliara Ar ireo vata mpanova herinaratra naterin’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

Afripower : Herinaratra 40 MW avy amin’ny masoandro

Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afri­po­wer, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. […]