Toe-karena

Madagascar Airlines : Hampiasa ny fiaramanidin’ ny Tafika

Hampiasa ny fiaramanidin’ny Tafika Malagasy, LET- 410, ny kaompania Madagascar Airlines. Hanamora ny fitaterana ny vokatra any an-toerana izany, ary koa ho an’ny fizahantany. Voakasik’izany ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Toamasina, Sainte-Marie, Antalaha, Ma­roantsetra, Sambava, Antsi­ranana, Nosy Be. Nosan­tarina, omaly, ity zotra ity an­tsoina hoe Zébu Air. Fanda­haranasa entina […]

Tale jeneraly Spat : Fitantanana atokisan’ny mpiara-miombon’antoka

Tontosa ny 21 janoary teo, tao amin’ny Port Academy Center Toamasina, ny famindram-pitantanana, hisahana ny orinasa misahana ny Seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Raharisone Jean Crescent. Tale jeneraly vaovao hitantana ny Spat Ran­driam­bahoaka Heritiana Ani­cet. Notsipihiny fa « fanehoana ny fifanohizana amin’ny raharaham-panjakana ny fifandim­biasan-toerana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadin­tsera­nana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalàna amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina

Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondra­nana, […]

Banky foiben’i Madagasikara: Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FDS

Tontosa omaly, teny Antaninarenina, ny fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS): ahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Nanatrika izany ny governoran’ny Banky foibe, Andrianarivelo Aivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (Cema), ny Jly Pikulas Démosthène, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN), ny Jly Mbina Mamelison […]