Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mila hatsaraina ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra eto Madagasikara mba hialantsika amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Tokony homen-danja sy atao laharam-pahamehana ireo tetikasa mifototra amin’ny famokarana. Tombony ho antsika ny fananana ireo loharanon-karena samihafa azo trandrahina sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary indrindra hanatsarana ny seha-pamokarana sy […]

Habantseranana : Ladoany miaro ny fiarahamonina, mailo sady mahitsy

Nankalazaina omaly 26 janoary, teny amin’ny CCI Ivato, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ladoany (JID). Lohahevitra noraisina ny hoe, «Habantseranana miaro ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fahamailoana sy ny fahitsiana». Nampahatsiahivin’ny tale jeneraly ny Ladoany (DGD), Randrianjafy Antoine, ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny fifanakalozana ara-barotra, ny olom-pirenena ary ny fanohanana […]

Fanondranana entana : Tsy maintsy ampodiana ny devizy

Natao ny 22 janoary teo ny atrikasa nampahafantarana sy nampianarana ireo mpisehatra momba ny harena an-kibon’ny tany ao Toamasina, faritra Atsinanana. Satria zava-dehibe ho an’ny toekarena sy ny sandam-bola malagasy ny fanondranana any ivelany sy ny famerenana ny vola vahiny azo avy aminy. Araka izany, anisan’ny noresahina ny lalàn’ny fifanakalozana […]

Fitrandrahana loharano ambanin’ny tany: Hisitraka “carte hydrogéologique” i Madagasikara

Hahazo “carte hydrogéologie” hamantarana ireo loharano ambanin’ny tany azo trandrahina i Madagasikara afaka telo volana. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Kula Services avy any Singapour izy ity. Vita sonia, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny mi­nisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH) sy ny orinasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Manan-danja ny fizahantany noho izy mifandray amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, asa ta­nana ary kolontsaina izay mampidi-bola sy manome asa maro samihafa ny malagasy. Sehatra stratejika izy ary laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona ny firenana indrindra amin’ny fampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, […]