Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Nahafa-po ny iraky ny FMI ny vokatra vitan’i Madagasikara tao anatin’ny 2 volana, momba ny sehatry ny angovo. Natao ny 13 janoary teo ny dinika mahakasika ity sehatra ity, nitateran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) tatitra. Anisan’ny zava-bita ny […]

Analamanga : Zana-kazo 3 500 fototra nambolena tany Ankazobe

Notontosaina ny 15 janoary teo ny fambolen-kazo nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Analamanga. Teny amin’ny kaominina Ambohi­tromby, distrika Ankazobe, no nanatanterahana izany. Miisa 3 500 ny zana-kazo novolena tamin’ny velarantany 3 ha. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Analamanga, ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana ao […]

Fiaraha-miasa : Haverina ny zotra ana habakabaka mankany Afrika Atsimo

Maromaro ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Firenena voalohany fanafarantsika entana, amin’ny alalan’ny fifanakalozam-barotra malalaka tsy tataovan-ketra (Zlecaf). Noraisin’ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ra­ma­fosa, tao amin’ny trano fonenany, any Mah­lamba Ndlopfu, Pretoria, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ny zoma 16 janoary teo. […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny alatsinainy izao, ny dinika ho fanaingana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanohanana ny sehatra tsy miankina mba ho afaka hifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana. Ny sehatra tsy miankina izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny harinkarena […]

Techfest 2025 : Mamiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny talenta malagasy

Naneho ny fahaiza-ma­naony teo amin’ny tontolon’ny teknolojia indray ny tanora ma­­lagasy nandritra ny «Tech­fest 2025» tany Mumbaï. Tamin’ ity, tafiditra tao anatin’ny Top 10 maneran-tany i Ma­dagasi­kara raha toa ka tao anatin’ny Top 20 teo aloha. Mbola isika irery ihany koa no ekipa afrikanina tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana ny fifaninanana. […]